airtel

Fifamoivoizana

24-juil-2024

Fahapotehan-dàlana manerana ny Nosy

Tena miantraika any am-bilany, tsy rototra ny mpitondra

Sample post image

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

24-juil-2024

dia ny fahapotehan’ny làlana na aiza na aiza aleha. Ny làlam-pirenena saika potika avokoa ny ankamaroany, raha tsy hamerina hitanisa afatsy ny RN2 miazo an’i Toamasina, izay efa tsy latsaky ny in-telo no nisiana fampanantenana, ary efa nanaovana sehoseho ivelany aza tamin’ny andron’ny coronavirus, fa hoe : ireo ny orinasa, izay telo no miara-manao izany. 2 taona aty aoriana, mbola zava-doza ny faharatsian-dàlana. Raha natao adin’ny fito na adin’ny valo tany aloha, dia atao ao anatin’ny adin’ny 13 na 14ora. Iny anefa no isan’ny tena làlana ifamezivezen’ny 80% amin’ny entana hamatsiana ny Malagasy nafarana avy any ivelany, miala avy ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina. Ny « Autoroute » lalaovina hanaovana serasera ary tsy fantatra izay tena hahavitany na mandeha aza ny fampantenana, ka toa adino sy hanaovana fampanantenana lava fotsiny ny RN2. Midangana ho azy ny vidim-piainana satria miakatra ny fandanian-tsolika, miakatra ny fandaniana amin’ny piesy,… izay any amin’ny saram-pitaterana no hanoneran’ireo mpandraharaha ara-pitaterana azy. Raha mbola mandray ohatra hafa any amin’ny tapany Atsinanana, dia ny miazo an’i Foulpointe, izay toerana ara-pizahantany, saingy làlana natao adin’ny 2 sasany tany aloha, lasa handaniana adin’ny enina hatramin’ny adin’ny valo ankehitriny. Raha ny aty afovoan-tàny, dia ny eto Antananarivo Renivohitr’i Gasikara aza moa io iaraha-mahita io. Ohatra iray hafa miharihary ihany koa ny miazo an’Antsirabe izay mitombo ny ora lany no fahasimban-dàlana,... Mbola baraingo hatramin’izao hoe : nankaiza ny volan’ny Fonds Routiers izay hatramin’ny ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina no nametra-panontaniana saingy fandroahana no setriny ? Raha miverina amin’ireo tetikasa hireharehana, na ilay RN13 nilazana fa tsy hanaovana politika intsony raha tsy vita aza mbola ny orinasa lehibe iray ao amin’ny Faritra Anosy no isan’ny trongisina ara-bola hanamboatra azy,… Ny làlam-pirenena ireny, fa ireo làlam-paritany moa, dia efa ela no tsy nisy nijery, ary miha zava-doza. Isan’ny efa nanaovana fampanantenana poakaty sy nampisehoana ireo fitaovana na « engins » mihitsy ny tany Anosibe an’Ala, izay ingahy Andry Rajoelina mihitsy no tany ny febroary 2022 fa tsy maintsy hafainganina ny fanamboarana ity làlana mampitohy an’Anosibe an’Ala sy Moramanga ity. Mandrak’ity ny androany tsy nisy na inona na inona, ka làlana 71km ataon’ny kamio herinandro. Tena ara-bakiteny, ary mitombina ilay hoe : azo hohanina ny làlana satria rehefa simba io, miakatra ho azy ny vidim-piainana, mihena ny any anaty vilany, saingy tsy maharototra ny Fanjakana. Izao ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-déc-2024

Mpamily fiara karetsaka iray no voatery nosokirana tao anatin’ilay fiara nentiny izay nihemoran’ny kaomiao

Card image cap