airtel

Fifamoivoizana

12-sept-2024

Fahapotehan’ny làlana

Nanamafy ny fiampangany ny PRM sy PM i Hajo A

Sample post image

Fantatro tsara raha ireo dosie mikasika ny fanamboaran-dalana ary hamafisiko hatrany ny efa

12-sept-2024

nolazaiko tamin'ny 04 Jolay 2023 fa i Andry Rajoelina sy Ntsay Christian no manakana ny famoahana ny volan'ny Fonds Routier sy manalava ny dingana famoaham-bola. Tsy mitombona mihitsy, hanafaingana ny asa kanefa ianao ihany no misintona ilay izy tsy handeha. Sa mitady hanilika ny rihatra any amin'ny hafa indray ? », hoy Atoa Hajo Andrianainarivelo omaly nitondra setriny teo anatrehan’ny famorian’ny Praiminisitra ny teo anivon’ny Minisiteran’ny asa vaventy izay toa nobedesina sy nomena baiko hanafaingana ireo asa fanamboaran-dàlana samihafa. I Hajo Andrianainarivelo izay marihina fa nahalala tsara ny aty vilany tao amin’ny Minisiteran’ny asa vaventy, ary manamafy ny efa nambarany izay niapanga ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Raha hiverenena sy tsiahivina bebe kokoa dia nambarany tamin’io jolay 2024 io, fa nisy ny lalàna namaritra ny tsy maintsy hanaovana fanavaozan-drafitra ka anisany ny fikitihana ny tahiry ho an’ny an’ny fikojakojana ny làlana izay FER (Fond d’Entretien Routier) lasa FR (Fond Routier). Nanipika kosa anefa i Hajo Andrianainarivelo tamin’izany, fa araka ny lalàna, matoa mandeha ny tolo-bidy dia misy vola izany ao amin’ny kitapom-bolan’ny FR. « Ny vola misy, fa baiko avy any amin’ny Praiministra ny hoe tsy azo kitihana ny volan’ny FR raha tsy mahazo alalana avy any amin’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra. Mbola mitohy izany hatramin’izao ka miteraka ny tsy fandoavana ny volan’ny orinasa sy ny fahapotehan’ny lalana. », hoy izy tamin’izany. Asa akaiky ny fifidianana ary mitombo hatrany ny tsy fahombiazan’ny fitondrana dia raikitra ny sinema na sarin’ady politika ka hanaovana fampanantenana etsy sy eroa fa amboarina ireo làlana izay tsy noraharahiana hatramin’izay ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-sept-2024

Nihaona tamin’ny Minisiteran’ny Asa vaventy notarihin’ny Minisitra Rafidison Richard Theodore sy ireo mpiara-miasa aminy ny Delegasionin’ny Vondrona Eoropeanina omaly.

Card image cap
18-sept-2024

Mpitondra kodiaran-droa miisa 2 no indray niara-namoy ny ainy tany Antsirabe, Atsimon’Ampihaviana,

Card image cap
18-sept-2024

Tsy mitsitsy intsony ireo mpitandro ny filaminana manao fidinana ifotony mitily ny tahan’alikaola anatin’ny vatan’ireo

Card image cap
18-sept-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin’ny Fokontany Mahatsinjo,

Card image cap
16-sept-2024

Nanome toromarika ireo mpitondra taximoto any amin'ny kaominina ambanivohitra ny zandarimariam-pirenena

Card image cap