airtel

Fifamoivoizana

07-août-2024

Fahapotehan’ny RN2

Ny 40% tamin’ny kamio no efa nitsoaka an-daharana

Sample post image

Tafakatra 40% ny salan’isan’ireo kamiao mpitatitr’entana miazo ny lalam-pirenena

07-août-2024

faharoa nitsoaka an-daharana hatreto vokatry ny haratsian-dalana. Diso miaina fatiantoka loatra mantsy izy ireo noho ny fidangan’ny vidin’ireo kojakoja fanamboarana fiara. Vidiana 2 hetsy Ar ny kojakojana fiara iray mora indrindra raha araka ny fanazavan’ny filohan’izy ireo nefa tsy maintsy misy zavatra simba isaky ny mahavita asa fitaterana indray miantoana ny kamiao iray. Toraka izany ny fitomboan’ny solika lany izay nambarany fa mbola hiakatra ihany koa ny vidiny atsy ho atsy. Tsy lazaina intsony ny fitohanana misy any amin’ny lalam-pirenena faharoa rehefa misy fiara simba vokatry ny haratsian-dalana….Mikasika ilay tranga tao Marovoalavo ny faran’ny herinandro teo moa dia nambarany fa be dia be ny entana mihitsoka ao Toamasina vokatr’izany koa tsy fantatra izay mety mbola ho fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina eto Antananarivo sy ny manodidina.
Pati
Legende : Ity lalam-pirenena faharoa ity no tena mampikolay fatratra azy ireo !

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap