airtel

Fifamoivoizana

02-oct-2024

Fanamboaran-dàlana eny Ampandrana

Tsy azo aleha manomboka amin’ny 8ora alina

Sample post image

Nanomboka ny alin’ny 30 septambra teo ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo iarahan'ny

02-oct-2024

Ministeran'ny Asa Vaventy, ny Faritra Analamanga, ary ny CUA. Ampahan-dalana 20 izay tena mampitaraina no nambara fa hatao ao anatin’ny roa volana, henjehina alohan’ny firotsahan’ny orana, izay toa nezahina nampidirina ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy ihany koa, toy ny efa natao talohan’ny fifidianana filoha sy fifidianana solombavambahoaka. Misy noho izany ny fahatapahana làlana⁠ ⁠eo anelanelan’ny kihon-dalana Ampandrana Rasalama, Ampandrana - Bel’Air hatrany amin’ny sampanana makany Ampahibe eo Antsakaviro nanomboka omaly talata, mitohy anio alarobia 2 oktobra, ka hatramin’ny sabotsy 5 oktobra manomboka amin’ny 8ora ora alina.⁠ ⁠Nomena toromarika hiodina hiazo an’i Besarety sy Amparibe ireo ireo fiara rehetra tokony handia iny lalana iny.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap