fotodrafitrasa samihafa nampanantenaina hatry ny ela. Tafiditra ao anatin’io ny resaka fanamboarana ilay antsoina hoe : « lalan’ny masoandro » na « route du soleil » mirefy 2000km mampifandray an’i Maroantsetra sy Mananjary, nambara fa hanamora ny fahafahan’ny olona sy ny entana mivezivezy. Efa hatrany amin’ny desambra 2021 no nitanisana an’io fa tsy hita izay teo, ary io fohazina io indray. Tahaka izany ihany koa ny famohazana indray ny hanaovana ny « fly over » etsy Anosizato sy Andohatapenaka izay efa tany amin’ny fiandohan’ny taom-piasana voalohan’i Andry Rajoelina ny taona 2019 no niresahana azy, narahin’ny filazana fa hasiana « autoroute » miainga eo miazo ny Tanamasoandro Imeritsiatosika, fa mandrak’ity ny androany tsy nisy na inona na inona nitsangana. Io izay voalaza fa tsy nahafa-po ny mpamatsy vola dia ny BADEA ny antso tolo-bidy amin’ny fanamboarana azy, ka naverina indray tamin’ny jolay 2024 teo. Mifoha indray izy io ankehitriny ka asa hanao ahoana ? Hatreto, ny fampanantenana no mitosaka fa ny asa tsy tena misy na zara raha misy. Ny « Autoroute » Antananarivo-Toamasina mirefy 260 km eo ho eo izao nampanantenaina, fa ho vita mialohan’ny faran’ny 2023 ny 80km ka kinanjo tsy nisy. Nihena ho 25km hatramin’ny faran’ny 2024 ary kendrena ho vita hatramin’ny 2027 ka asa tena hitombona sa fampanantenana poakaty indray raha tarafina amin’ny fihisaran’ny asa sy ny olana maro ? Ao anatin’ny 2 taona izany 25km ka ao anatin’ny firy taona no hahavitana ny « route du soleil » 2000km ? Andaniny, ny eo tsy voakojakoja, ary zary lasa vonjitavanandro isaky ny vanim-potoanan’ny fifidianana ny fanamboarana ireo làlana simba, raha tsy hilaza afatsy ny tranga eto Antananarivo, Antsirabe,… Mila hatrany amin’ny 250 tapitrisa dolara isan-taona i Madagasikara mba hikojakojana ara-potoana ny làlam-pirenena raha ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena tao anatin’ny tatitra momba ny toetr’andro sy ny fampandrosoana mikasika an’i Madagasikara. Araky ny fitondrana antsakany sy andavany ve izany ? Mangarahara ve ny fitantanana ? Hakana 288Ar isaky ny litatra vidian’ny mpanjifa ny vidin’ny lasantsy, ary 133Ar isaky ny litatra ny gazoala, alefa mivantana ao anatin’ny FR (Fonds Routiers) fa moa tena voatantana araka ny tokony ho izy sa miova làlana ? Tena ho toy izao ve ny fahapotehan’ny làlana manerana ny Nosy raha misy ny fitantanana mahomby sy mangarahara, raha tsy hilaza afatsy ny resaka tsenambaro-panjakana. Nanaitra, ohatra, ny nilazan’i Tahina Razafinjoelina kandida ben’ny tanàna eto Antananarivo, fa manodidina ny 70000Ar isaky ny m3 ny saran’ny fanamboaran-dàlana hanaovan’ireo orinasa « prestataires » azy eto Antananarivo, kanefa hatrany amin’ny 600 000Ar no hivarotan’ny orinasa tena nahazo ny tsenan’asa azy any amin’ny Fanjakana, ka nilazany fa azo atao ny manamboatra ny làlana eto an-dRenivohitra amin’ny sarany ambany kanefa tsara, ary mampiasa ireo orinasa Malagasy.
Toky R
Mirongatra sy mahazo vahana indray ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa tato ho ato.