airtel

Fifamoivoizana

21-août-2023

Fifamoivoizana

Faran’ny herinandro nihosin-drà Nihampatrampatra ny faty tany amin’ny RN 42 sy RN2

Sample post image

Sesilany ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny làlam-pirenena sy ny faritra samihafa amin’izao fotoana izao. Nandriaka ny rà, nihampatrapatra ny faty tamin’ny faran’ny herinandro teo,

21-août-2023

raha ny tranga ny sabotsy teo tany amin’ny RN42 sy tany amin’ny RN2. Manodidina ny 20 no namoy ny ainy, ary maro be ireo naratra. Hanao ahoana ny famotorana mba tsy ho matimaty foana ny olona? Iza no diso? Mpamily sa ny tompon’ny fiara? Ny Mpitsara fiara? Ny mpitandron ny filaminana nandalovany rehetra tokony hatao fanadihadiana avokoa. Miandry ny tohiny moa satria famonoana olona tsy fanahy iniana izy itony ka misy sazy mifandray aminy.
RN42-FIARABE LASA TANY ANATY HANTSANA, 9 NO MATY
Ny sabotsy teo, tany amin’ny RN42, fiarabe marika Mercedes mpitatitra olona makany Soatanana Isandra, nitondra olona manodidina ny 50 mahery no lasa tany anaty hantsana teo anelanelan’I Manovoriaka sy ny Kaominina Nasandratrony, ao anatin’ny distrikan’Isandra. Nivadibadika sy potipotika tanteraka ilay fiara, ka olona miisa 7 no namoy ny ainy teo noho eo. Saika naratra avokoa ny ankamaroan’ny mpandeha izay maro ny voa mafy, ka niampy 2 ireo namoy ny ainy rehefa tonga tany amin’ny Hopitaly, izao ao Tambohobe Fianarantsoa moa ny ankamaroan’izy ireo. Vokatry ny fandehanana mafy no voalaza fa tena niteraka ny loza, raha ny nambaran’ny ankabeazan’ny mpandeha, hoy ny fampitam-baovao avy tany an-toerana. Efa nalain’ny fianakaviana ny takarivan’ny sabotsy teo tao amin'ny tranom-paty kosa nofo mangatsika, ary efa raisina an-tànana ireo maratra.
RN2-SPRINTER MIISA 2 NOFAHON’NY KAMIO
Nandriaka ihany koa ny rà tany Beforona-Marovoalavo amin’ny RN2 iny omaly tapak’andro hariva minitra vitsy lasa izao, efa tafiakatra 7 ireo aina nafohy hatreto..Fiara mpitatitra miisa 2 no nifandona tamina Kamio semi-rémorque iray. Ilay kamiao avy any amin'ny lalana ambony ary ireo Sprinter miisa 2 hiakatra fiakarana no nifatratran’io fiarabe io, hany ka tra-doza nivadika ambony ambany ny fiara an’ny kaoperativa UTA, ary nivadika ihany koa ilay kamio lehibe. Raha ny vaovao vonjimaika omaly takariva, dia tafakatra 7 ireo namoy ny ainy, izay misy zazakely, ary 23 no naratra, izay misy fahasarotana ny ankamaroany. Tsaboina ao amin’ny Hopitaliben’I Moramanga ny ankamaroany. Fianankaviana avy nahavita fialan-tsasatra tany Toamasina ka an-dàlana hody ny ankamaroan’ireo namoy ny ainy sy naratra, raha ny fanamarihana. Vao nitranga ity loza ity dia betsaka ny fanamarihana mahakasika ireo kamio lehibe mandeha amin’iny RN2 iny, izay betsaka no misetrasetra. “Na inona na inona kosa aloha lazaina dia ianareo “Camionneurs” amin’ny RN2 ireo dia tena misetrasetra sy manao loham-boto fotsiny e! Tena mpandeha RN2 aho (in-droa isan-kerinandro) fa tena “trop”, tena “trop” e! Mandriam-piadanana ary mankahery ny havan’ny manana manjo!”, hoy ny fanamarihan’ny olona iray isan’ny mpandeha matetika amin’ny RN2.
RN4-TAKSIBROSY IRAY NIREHITRA
Ankoatra ireo, fiara Taksibrosy sprinter mampitohy Ambanja-Antananarivo no nirehitra teny amin’ny RN4, tany amin'ny 20km tsy hidirana an'i Maevatanana, faritra Betsiboka omaly. Tsy nisy naninona ireo mpandeha fa ilay fiara sy entana kosa may kila tanteraka.
MOTO SY FIARA NIFANDONA TETSY AMBOHITRIMANJAKA
Ho an’ny teto Antananarivo, nitrangana lozam-pifamoivozana teny amin'ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka omaly. Moto scooter sy fiara nifandona no nifandona, ary tena henjana ny fahavoazana. Asa izay niafarany satria mbola tsy azo ny akony, fa ny irariana dia tsy hisy aina hafoy! Mila mitandrina ny rehetra satria tena sesilany ny lozam-pifamoivoizana tato ho ato, izay ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fialan-tsasatra.
Nangonin’I Toky R

Sary indrana
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap