Talata 18 Febroary. Vokatr’ireo fiara miisa telo nahitana kamiao roa sy Sprinter nifandona no antony nahatonga izany. Raha araka ny fantatra dia samy nisisika ny handeha mialoha ireo mpamily. Tery anefa ny arabe, ny fiara rahateo lehibe sy kely ka voabahana tanteraka ny lalana. Tsy lazaina intsony ny fahapotehan’ny sisin’ny arabe nateraky ny vesatr’ireo fiara miisa telo ireo, tranga niseho teo Ambatondramijaly, andrefan'Analavory. Voatery notaomina ny entana sy ny olona niampita niankandrefana ka fiara hafa indray no nandray sy nitondra azy ireo. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia fantatra fa efa nivaha mian-dalana ny olana ka nisy ny fiara efa afaka nandeha. Tonga nanampy ireo mpamily sy ny mponina rahateo ny mpitandro ny filaminana. Niteraka fitohanana goavana tany amin’iny lalam-pirenena voalohany iny moa ity lozam-pifamoivoizana niseho tao Analavory ity.
Pati
Legende : Tahaka izao no fisehoan’ilay lozam-pifamoivoizana !