airtel

Fifamoivoizana

28-août-2024

Fifamoivoizana eto Analamanga

Ny lalana miha tery, ny fitaovam-pitaterana mitombo

Sample post image

Eto Antananarivo renivohitra moa izany izao dia ahitana ireo kodiaran-droa na «taxi-moto»,

28-août-2024

ny bisikileta mikarama mitondra olona na koa hoe «taxi-bicyclette», ny taksibe, ny fiarakaretsaka na «taxi» sy ireo karazam-piara sy fiarabe maro samihafa fampiasan’ireo olon-tsotra. Ny teleferika koa io miantona io. Asa na hiainga, araka ny fanitsiana nataon’ny sekreteram-panjakana misahana azy, ihany amin’ny fiandohan’io taona 2025 io. Any amin’ireo kaominina manodidina, izay ato anatin’ny faritra Analamanga ihany koa, ankoatran’ireo izay efa voatanisa teto, toa an’Analasora, Andoharanofotsy, Itaosy, Ambavahaditoka, Antsirabe sy ny maro hafa indray dia mbola misy koa ny posy, ny Bajaj fitateram-bahoaka, ny «Taxi-bajaj», ny «cyclo-pousse» na posy tarihina amin’ny bisikileta. Ny lalana miha tery, raha fehezina, ny fitaovam-pitaterana mitombo, raha ny fifamoivoizana eto Analamanga sy ny manodidina azy hatrany no resaka.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap