airtel

Fifamoivoizana

26-août-2024

Fitateram-bahoaka eto Analamanga

Miha mahazo toerana ny Bajaj

Sample post image

Hita ho miha mahazo toerana amin’izao fotoana izao ny Bajaj, raha ny fitateram-bahoaka eto Analamanga

26-août-2024

no asian-teny. Ilay Bajaj fitateram-bahoaka toy ireny hita any amin’ny firenena aziatika sasany tahaka an’i Thailand sy Filipinina ireny moa no tena hita miha maro amin’ireo kaominina samihafa. Zary lasa mahasolo ireo fiara fitateram-bahoaka na taksibe mihitsy aza moa izy ireny satria mahazaka mpandeha am-polony ary manodidina ny 500 hatramin’ny 600 Ariary ihany koa no saran-dalany. Isan’ireo efa ahitana izany, ohatra, ny kaominin’Ambavahaditokana, ny eny Ambohidratrimo, ireo kaominina maromaro manodidina an’iny Itaosy iny ihany koa. Niteraka resabe sy azo lazaina hoe fifandirana teo amin’ireo mpampiasa lalana mihitsy moa, taona vitsy lasa izay, ny fankatoavana ny kodiaran-droa na «taxi-moto» teto Antananarivo renivohitra. Ao Antsirabe izany izao efa misy Bajaj miha mahasolo fiarakaretsaka na «taxi». Misy posy sy posy bisikileta na «cyclo-pousse» ihany koa ankoatran’ireo karazam-piara fampiasa mahazatra daholo moa izany rehetra izany. Handamina ny fifamoivoizana eto Analamanga daholo izany rehetra izany sa vao mainka hanakorontana miampy ity isan’ny mponina tsy mitsaha-mitombo? Ny ampitso no hamaritra azy.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap