Navoitra ny fanohizana ireo fifanarahana lasitra natomboka eo amin'ny firenena roa tonta sy ny hametrahana ny fiaraha-miasa amin'ireo sehatra laharam-pahamehana toy fizahantany, ny angovo, ny hisarihana ireo mpampiasa vola émiratis eto Madagasikara sy ny fananganana fotodrafitrasa, araka ny seraseram-panjakana. Nambara fa hifantoka amin’ny tetikasam-pampandrosoana toy ny fanamboarana fotodrafitrasa, harena an-kibon’ny tany,... Mifanandrify ihany koa ny hisokafan’ny sidina mivantana hataon’ny Emirates Airlines hampifandray an’i Dubaï sy Antananarivo izay hanomboka ny 03 septambra ho avy izao. Zava-dehibe ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ny fiaraha-miasa, ary tsy afaka ny hiolonolona samirery eto isika. Na izany aza, tena mifandanja ve ny tombony ao anatin’ny fiaraha-miasa sa sanatrian’ny vava ho ny bizina no tena hanjaka ? Tsikaritra ho misisika sy dodona amin’ny fahatongavan’ny arabo ny Fanjakana ka tena ho an’ny tombotsoam-pirenena madiorano sa miharo politika avo lenta ? Eo amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, nazoto nakany amin’ny Arabo ny Filoham-pirenena teo aloha teo satria ny nialohan’ny fihanianany ny desambra 2023, dia efa nitarika delegasionina tany Dubaï niatrika ny COP 28. Niverina tany indray ny volana febroary. Mbola niverina tany indray iray volana taorian’io niatrika ny Worl Governement Summit. Ny volana mey indray no niazo an’i Abu Dhabi. Tsy finiavana hitsikera fa vao miresaka Madagasikara sy Dubaï ohatra, dia ny trafikana volamena no malaza. Ny antontanisan’ny Département des Affaires économiques eo anivon’ny Firenena Mikambana, ohatra, dia namoaka fa 6,8 taonina ny volamena niondrana antsokosoko teo anelanelan’ny 2018-2023, izany hoe : tao anatin’ny fitondrana Rajoelina amin’ny ankampobeny. Nahatratra 2,490 taonina niondrana tany Dubaï ny 2021 mitentina 500 miliara Ar eo ; 515kg mitentina 120 miliara Ar ny taona 2022 ; 1,19 taonina tany Turquie ny 2023 mitentina 280 miliara Ar,… Isan’ny misongadina tamin’ny fihaonana tamin’ny arabo ny hoe : ny Emirats Arabes Unis no hamatsy ara-bola ny ozinina fanadiovana volamena na ny « raffinerie d’or » ho an’i Madagasikara ka asa hoe : izy ireo ve no handray ny volamena izay fikasana ny hanondrana 15 taonina isan-taona ? Sa kosa efa endrika sy làlana makany amin’ilay hoe : « financement parallèle » eo anatrehan’ny mety tsy fahafaham-po amin’ny famatsiam-bolan’ny tandrefana ?
Toky R