airtel

Fifamoivoizana

13-août-2024

Fitaterana eto amin’ny

Faritr’Antananarivo Napetraka ny rafi-panovana sy fanatsarana

Sample post image

Tsy mandeha amin’ny laoniny intsony amin’ny ankapobeny ny fitaterana eto an-drenivohitra.

13-août-2024

Samy manao ny hataony avokoa ny tsirairay toy ny mpitondra fiarakodia, ny moto, ny bisikileta ….Nikaondoha nitady vahaolana mifandraika amin’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny omaly Alatsinainy 12 Aogositra nahitana ny solontenan'ny mpanjifa, ny solontenan'ny koperativa vitsivitsy, ny solontenan'ny mpitatitra amin'ny lalam-pirenena miditra sy mivoaka an'Antananarivo. Toraka izany koa ny rantsa-mangaikan'ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety. Tapaka nandritra izany fa hapetraka ny rafi-panovana sy fanatsarana. Ho an’ny zandarimariam-pirenena manokana dia ny (BSR na BPR na motard) irery ihany no manakana sy misava fiara eny amin'ny lalam-pirenena na lalana provinsialy ary manao fanamiana miavaka izy ireny. Ireo BPR ireo ihany no tokony hanao polisin’ny lalana sy eny amin’ny barazy.Ireo zandary miasa amin'ny borigady manamorona ny lalàna kosa dia baiko manokana na fisavàna tampoka fiara mampiahiahy irery ihany no hataony. Ho an’ny mpitatitra indray dia tsy maintsy manaja ny voalazan'ny bokin'andraikitra izy ireny. Manaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana sy ny fitsipiky ny koperativa misy azy koa….Nosokafana ny tambazotram-pifandraisan' ny zandary/koperativa/ATT mba ahafahana mandray fitarainana sy fitorohana.Afaka mifandray amin'ny Kolonely Kaomandin'ny CIRGN Antananarivo (WhatsApp : 0340570094) ireo mahita tranga kolikoly miaraka amin'ny porofo marim-pototra (daty sy ora, toerana, sary raha misy).
Pati
Legende : Milamina ny fifamoivoizana rehefa voaraha-maso tsara tahaka izao ny fiara fitateram-bahoaka !

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap