airtel

Fifamoivoizana

15-oct-2024

Fitohanan'ny fifamoivoizana eto Antananarivo

Hila tsy hitsahatra intsony, tsy andro, tsy alina...

Sample post image

Hila tsy hitsahatra intsony, tsy andro, tsy alina, tsy sabotsy, tsy alahady,

15-oct-2024

tsy andavan'andro ity fitohanan'ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra ity. Mitaraina ho sahirana ny ankamaroan'ireo mpamily na mpampiasa lalana, raha ny fanadihadiana natao satria dia mety mahalany solika mihoatra 100% amin'ny mahazatra mihitsy raha vao diso kajy. Isan'ny tena miteraka fitohanana tato ho ato, na amin'ny andro atoandro aza, ireo fanamboarana na fanarenana ampahan-dalana samihafa eto an-drenivohitra toy izay nolalovana tamin'iny Ampandrana sy ny manodidina iny na koa ny eny 67ha eny. Hatramin'ny alin'ny sabotsy teo aza moa dia mbola nahitana izay fitohanana izay koa ny miakatra an'Analamahitsy mihazo an'Ilafy iny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap