airtel

Fifamoivoizana

25-juin-2024

FITOHANANA ENY ANOSIZATO

Nametrahana herse ny moto sy bisikileta nanomboka omaly

Sample post image

Mihamafy hatrany ny fitohanana eny Anosizato Andrefana eny.

25-juin-2024

Tsy hanavahana ora sy andro intsony izany fa saika amin’ny fotoana rehetra mihitsy ka mampitaraina ny maro. Mametraka paikady hahafahana miady amin’izany ny zandarimariam-pirenena eny Fenoarivo. Lohalaharana amin’ireny ny fanaovana double na miakatra na midina saingy tsy maintsy mifandimby kosa. Mbola misy ihany anefa ireo moto sy bisikileta ary fiara tsy mahatanty miandry ka manohitra ny lamina hapetrak’ireo mpitandro ny filaminana. Mbola mandeha ihany ny sasany na dia efa feno aza arabe, tranga izay ahiana hitera-doza. Nisy araka izany ny fametrahana herse nanomboka omaly Alatsinainy 24 Jona teny Anosizato Andrefana. Hitazonana ireo fiara sy moto ary bisikileta tsy hihoatra ny faritra hijanony no tanjona arahin’ny fampianarana azy ireo mba hanaja ny lamina hapetraky ny mpitandro ny filaminana. Betsaka sahady ireo efa nimenomenona mafy noho izany omaly, andro voalohany.
Pati
Legende : Mipoaka avy hatrany ny kodiaran’ireo moto sy ny bisikileta raha vao manohitra ity herse ity ka mikasa handeha hatrany !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap