airtel

Fifamoivoizana

28-sept-2023

Fly over sy ny tariny

Nofohazina kely indray fa akaiky ny fifidianana…

Sample post image

Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny omaly 27 septambra ny hirosoana amin'ny fanaovan-tsonia ny

28-sept-2023

fifanaraham-pamatsiam-bola mikasika ny fanamboarana ny tetikasa Fly Over Maki miaraka amin'ny Banky Arabo ho an'ny Fampandrosoana ara-toekarena aty Afrika (BADEA). Ny 9 ka hatramin'ny 15 Oktobra 2023 izao no hotanterahina any Marrakech Maroc ny fivoriam-be isan-taona fanaon'ny governoran'ireo vondrona ao anatin'ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena, ka ao anatin'izany no hanaovana ny sonia fifanaraham-pamatsiam-bola, hoy ny tatitra. Mitentina 31 tapitrisa dolara ny tetibidin’ny tetikasa, izay hahitana ny fanamboarana ny lalana mihantona (fly over) hampifandraisana ny lalan'ny Frankofonia sy ny lalan’i Eoropa eo amin'ny Rond-point Maki, ny tetezana eo ambonin'ny reniranon’Ikopa ary ny ampahan-dalana VROT (Voie Rapide Ouest Antananarivo). Ny 28 tapitrisa dolara amin’ny famatsiam-bola dia hovatsian'ny BADEA ary ny 3 tapitrisa dolara kosa dia hovatsian 'ny Fanjakana Malagasy. Marihina fa hanpifandray an'Antananarivo sy ny tanana vaovao Tanamasoandro ihany koa io lalana io amin'ny famakivakiana ny reniranon’Ikopa mivadika aty amin'ny ilany ankavia amnin'ny fefiloha, hoy hatrany ny mpitondra. Efa ela no niresahana an’io tetikasa io, an-taonany no efa nilazana fa hanomboka ny “fly over”, handeha ny “Autoroute” makany amin’ny Tanamasoandro, saingy resaka ambony latabatra no betsaka. Isan’ireo zavatra novoizina ho tetikasan’I Andry Rajoelina fony Filoha saingy mbola mitovy laharana amin’ireo vato vototra napetraka sy tsy nisy tohiny hatreto. Isan’ny noresahana tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ihany koa ny ambara fa hisiana fividianana fitaovana hanadiovana ny Lakandranon’I Pangalana izay efa hatry ny ela ihany koa no nanaovana “werawera”, saingy tsy hita izay vokatra. Notanisaina ny fankatoavana ara-tetibola ny tsena manara-penitra any Vohémar, Biraon’ny kaominina Andapa, Epp any Andrify Betroka… Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana ka tena hoe: asa handeha sa mba pi-maso politika indray?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-déc-2024

Mpamily fiara karetsaka iray no voatery nosokirana tao anatin’ilay fiara nentiny izay nihemoran’ny kaomiao

Card image cap