ny minisitry ny fizahan-tany sy ny asa Tanana Dewa Viviane. Tetikasam-panjakana ,tantanin'ny PIC novatsian'ny banky iraisam-pirenena vola no anaovana izao fototrafitr'asa lalana manakany amin'ny toeram-pitsangatsanganana Montagne D'Ambre teo. Teo koa ny fanazavana nentin'ny governora Rakotomanga Taciano fa nataon'ny faritra laharam-pahamehana ny fampandrosoana ny fizahan-tany, ary noraketina anatin'ny drafitra fampandrosoana ny faritra. Volabe tokoa no mety ho azo amin'ny fizahantany saingy ny sombitsombiny ihany aloha no azon'i Madagasikara hatreto noho ny tsy fahampiana sy ny haratsin'ny fotodrafitrasa. Tonga saina tsara amin'izay ankehitriny ireo tompon'andraikitra sy ny manampahefana amin'ny fitondrana foibe fa tena azo hohanina marina kay ny lalana, izany hoe mampidi-bola ho an'ny rehetra ary antoky ny ho avy. Firenena kely aty amin'ny ranomasimbe indianina kely lavaitra noho ny faritanin'Antananarivo ny nosy Maorisy kanefa dia tena vereziny lavitra amin'ny fisarihana mpizahantany i Madagasikara. Ary tao anatin'ny 20 taona dia mbola nanohy hatrany ny ezaka amin'ny fanamboaran-dalana tahaka ny nataony tamin'ny tontolon'ny fampianarana ry zareo Maorisiana. TENA NIHEMOTRA Eto Madagasikara kosa nanaovana esoeson-teny tamin'ny taona 2008 sy 2009 ny fandaharanasa goavana nisy tamin'izany fotoana ka natao hoe lalana angaha azo hohanina fa ataovy mora ny vary sy menaka ary siramamy. 13 000 km no tanjona tanin'izany, ankehitriny taona 2024, izany hoe 15 taona aty aoriana ilay menaka 3500 ariary lasa 15 000 ariary, ny vary 1200 ariary ny kilao lasa 3300 ariary.Ny lalam-pirenena rehetra potika avokoa ka raha lalana natao adin'ny 7 lasa atao adin'ny 14 amin'izao fotoana. Ny an'ny olona miha haingana ny fifandraisana sy fifamezivezena fa ho an'i Madagasikara kosa mitombo isa ny distrika sy kaominina mitoka-monina. Tena firenena mihemotra ary raha mbola mitohy ny fitantanana sadasada, ny gaboraraka sy ny kolikoly, ny sehoseho ivelany dia mbola asa izay hitranga atsy aoriana kely atsy.
RTT
Mirongatra sy mahazo vahana indray ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa tato ho ato.