airtel

Fifamoivoizana

18-juin-2024

HETSIKA DONA

Kodiaran-droa 60 isa isan’andro no voasakana

Sample post image

Mafotaka ilay hetsika Dona, natao hampiharana ny lalana ho an’ireo mpitondra

18-juin-2024

kodiaran-droa tsy manara-dalana eto an-drenivohitra. Hatramin’ny Sabotsy 15 Jona nanombohan’ny hetsika teo mantsy dia mahatratra 60 isan’andro ireo moto nosakanan’ny mpitandro ny filaminana ka misy ireo nogiazana avy hatrany raha misy kosa ireo nosavaina ka rehefa hita fa ara-dalana dia nalefa. Raha araka ny fanadihadiana natao tetsy Analakely omaly dia ireo mpitondra moto sy ny olona ho entiny tsy manao araloha sy manao taingim-be no tena henjehina amin’ity hetsika ity. Toraka izany koa ireo mandeha mafy sy misetrasetra nefa tsy manana taratasy fahazoan-dalana akory. Tsy maintsy mila ity taratasy fahazoan-dalana mamily ity mantsy raha vao latsaky ny 125Cc ny kodiaran-droa entina. Nisy tamin’ireo nosavaina omaly araka izany no nanaiky fa tena nanao fahadisoana tokoa. Nisy koa anefa ireo nilaza fa tsy nazava taminy ny antony nisakanana azy sy nanagiazana ny moton-ny. Nomarihin’ireo polisy moa fa tsy hijerena tavan’olona ity hetsika ity. Misy amin’ireo mpitondra moto sasany mantsy no miantso olon-kafa na ny lehibeny mba handamina ny raharaha. Nomarihin’izy ireo ihany koa fa miditra amin’ny fanenjehana ara-keloka sy ny fanasaziana ireo mpitondra moto sakanana nefa mitsoaka izy ireo noho izany mampitandrina ireo izay mikasa ny hanao izany.
Pati
Legende : Betsaka ireo mpitaingina moto tsy manao aroloha tahaka izao no voakasana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap