Io no lohatenin’ny lahatsoratry ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence, nalaza omaly. Voalaza tao anatin’izany fa ny saran’ny fampiodinana ny teleferika ao anatin’ny taona iray dia tsy ho voaantoky ny vola miditra avy amin’ny tapakila hitaingenana azy velively. Ny hany vahaolana raha ny voalazan’io fampahalalam-baovao io, dia ny fanohanana ara-bola na « subvention » avy amin’ny Fanjakana, izay mahatratra an-tapitrisany euros isan-taona. Raha tsy misy an’izany, tsy azo eritreretina ny fahafaha-manodina an’io, hoy ny Africa Intelligence. Hatreto, mbola tsy fantatra mazava ny orinasa hitrandraka sy hampiasa io teleferika io. Ny orinasa Frantsay Poma izay mifandrohy amin’ny orinasa Malagasy OTI (Ouvrages et Traveaux Industriels) na ny Vondron’ny STEM Intenational-Altiservice no voalaza fa mikendry izany. Efa ny 22 jona no nanaovan’ny Filoham-pirenena andrana an’ity teleferika ity, izay ampahany kely no vita dia ny eo Anosy hatreny Soarano. Mbola tsy vita ny eo Sorano makany Ankorondrano, Ivandry, ka hatrany Ambatobe, izay voalaza fa mampihemotra ny fahafaha-mampiasa ity teleferika ity, ary mety ho hatrany amin’ny lohataonan’ny 2025 vao tena ho vita. Hampahafantarina amin’ny alalan’ny filan-kevitry ny minisitra ny endriky ny famatsiana ara-bola ny fitrandrahana ny teleferika, ary hisy orinasa hiantsoroka ny fotodrafitrasa ny fikojana sy fitantana azy iarahana amin’ny Fanjakana, ny tanànan’Antananarivo, ary ireo mpiara-miombon’antoka raha ny valiny azon’ity fampahalalam-baovao ity tamin’ny Sekreteram-panjakana misahana tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
HAHALEO NY SARANY VE NY VIDINY ?
Tsara ny mampahatsiahy, fa eo amin’ny 153 tapitrisa euros na 800 miliara Ar latsaka kely ny sandan’ny teleferika izay notrosaina tamin’ny Frantsay. Mandoa trosa manodidina ny 60 miliara Ar isan-taona ao anatin’ny 12 taona eo ny Malagasy ary mety hihoatra aza. 40 000 isan’andro ny tomban’ny Fanjakana fa handeha amin’io teleferika io, izay nambaran’ny Filoham-pirenena ny 22 jona moa fa 3000Ar ny saran-dàlana. 120 000 000Ar isan’andro izany raha misy an’izay olona izay hitaingina tokoa, manome 3 600 000 000Ar isam-bolana, 43 200 000 000Ar isan-taona,... Nambara fa mandeha amin’ny milina manokana io fa tsy avy amin’ny herinaratry ny Jirama, izay voalaza fa mety handany 7000 litatra isan’andro izany hoe 34 300 000Ar isan’andro 1 029 000 000Ar isam-bolana ary 12 348 000 000Ar isan-taona. 30 852 000 000 isan-taona izany ny ambim-bava ialan’ny solika, mbola tsy tafiditra amin’izany ny fikojakojana, ny anjaran’ny orinasa mitrandraka ny tetikasa, ny karaman’ny mpiasa,… Dia aiza no handoavana ilay 60 miliara Ar isan-taona amin’ny mpampitrosa ? Efa kajy faran’izay ambony ilay hoe : olona 40 000 isan’andro fa tena hisy an’izay olona izay hitaingina an’io andavan’andro ve? Ny saran-dàlan’ny taksibe izay mety hiakatra 800Ar aza manahirana ny olona. Raha atao hoe : hisy olona 15 000Ar isan’andro mitaingina, dia 45 000 000Ar isan’andro izany dia ny ny vidin-tsolika anefa 34 300 000Ar, ny fikojakojana, ny karaman’ny mpiasa,… ? Tena tetikasa mahomby sy mifanaraka amin’ny filam-bahoaka sy ny fari-piainany tokoa ve ity sa haingo ambony tsikoko sy haitraitran’ny mpitondra? Ny Jirama aza efa manahirana amin’ny resaka fanohanana ara-bola dia hiditra amin’ny teleferika koa ?
Toky R
Mpamily fiara karetsaka iray no voatery nosokirana tao anatin’ilay fiara nentiny izay nihemoran’ny kaomiao