airtel

Fifamoivoizana

15-oct-2024

Kamio nandona fiara 4 teny Ankorondrano

Nitambotsitra teo am-pamiliana ny mpamily ?

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tsy nampoizina teny amin’ny Rond point anoloan’ny EPP Ankorondrano omaly

15-oct-2024

tokony ho tamin’ny 5 ora ariva. Kamio lehibe iray no nanivatsiva nandona fiara 4 samihafa izay nisy fahasimbana avokoa. Nifamohafo tanteraka ny vaovao satria niely fa fa nitambostitra teo ambony familiana ny mpamily, ka izay no nahavoahitsiaka tsy tàna ny « accélérateur » noho nitolefika. Nisy ihany koa anefa ny filazana fa tapaka hisatra. Tsy fahasalamana tampoka no nahazo azy, ary nisy mihitsa aza ny filazana fa namoy ny ainy rehefa nentina teny amin’ny hopitaly, saingy tsy ofisialy io. Tsy mbola voamarina hatreto ny aretina nahatonga ilay mpamily nitambotsitra sy ny filazana azy ho namoy ny ainy satria voalaza fa nentina natao fanadihadiana teny amin’ny mpitandro ny filaminana izy. Avy eny Ambohitrarahaba hihazo an' Andavamamba hanatitra hazo ity kamiao ity no nitranga ny loza. Fiara efatra no voadonan'ilay kamiao, simba avokoa ny fiara, 2 tamin'ireo an' olo-tsotra ny 2 hafa ana orinasa. Tonga nanao fanadiadiana ny « Brigade des accidents » avy amin'ny polisim-pirenena ka andrasana ny akony !
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap