airtel

Fifamoivoizana

07-sept-2023

Kamio nianjera tany anaty rano

Lehilahy iray no maty tany Anjozorobe

Sample post image

Tsy mety tonga saina ny amin’ny voka-dratsy ateraky ny tsy fikarakarana ireo fotodrafitrasa efa simba eto amintsika

07-sept-2023

ny Fitondram-panjakana na dia efa namoizana ain’olona aza izany. Ho an’ilay kamio nitondra akondro nifaoka sprinter avy any Mahajanga ohatra dia tetezana tsy nisy arofanina no nifanenan’izy ireo ka Raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy vokatry ny loza nitranga. Nipitika ilay sprinter ka tafavoaka teny ivelany nandritra izany Itompokolahy. Vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo indray dia fiara iray avy any atsimo no niantona teo amin’ny tetezana iray tsy nisy arofanina tao Ambatolampy, tranga mbola mitohy hatramin’ny omaly. Kamiao lehibe iray ihany koa mantsy no nianjera tany anaty rano tao Ambohimandroso Avaratra, disitrikan'Anjozorobe izay mbola vokatry ny tsy fisian’ny arofanina ihany. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Nilon-drano saika tsy avotra kosa ny mpamily sy ireo olona tao anatiny vokatry ny hamaroan’ny rano tao anatin’ilay fiara.
Pati
Legende: Ity ilay kamiao nifatratra tao anaty rano !

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap