airtel

Fifamoivoizana

09-août-2024

KAOMININA AMBAVAHADITOKANA

Mandeha ny fametrahana jiro sy ny fanamboaran-dalana

Sample post image

Hazakazaka arahin-tosika ny asa fampandrosoana ny tanana ho an’ny kaominina Ambavahaditokana.

09-août-2024

Lohalaharana amin’ireny ireo foto-drafitrasa tena mamaly ny filam-bahoaka amin’ny fiainana andavanandro toy ny lalana. Mirefy 5 km no efa vita raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis, famatsiam-bola avy amin’ny Agence Francaise de developpement. Na izany aza mbola nisy ihany koa ireo lalankely tsy vita ka novitain’ny kaominina tamin’ny volany madiodio izany izay mirefy 1km, miparitaka manerana ireo Fokontany miisa 6. Ny impot synthetique, ny droit d’enregistrement, ny IFPB na ny hetran-trano no nangonin’ny kaominina nanaovana izany lalana izany mba ho fanomezana fahafaham-po ny mponina. Ankoatra izay dia nanaovan’izy ireo ezaka ihany koa ny fametrahana jiro cobra miisa 30 hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tao anatin’ny 2 volana no nametrahana ireo tao anatin’ireo Fokontany miisa 6 ho fanampiana ireo zandary sy polisy manao ny ainy tsy ho zavatra manoloana ny asan’ireo tontakely sy tsy maty manota.
Pati
Legende : Anisan’ny lalana amboarina ao anatin’ny kaominina ny eto Antanjona !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap