airtel

Fifamoivoizana

01-oct-2024

LALAM-BAOVAO AMBOHITRIMANJAKA-IVATO

Tsy mety vita, ataon’ny tantsaha fanahazam-bary

Sample post image

Tsy mety vita tanteraka ilay lalam-baovao miainga etsy amin’ny digy Ambohitrimanjaka mivoaka

01-oct-2024

eny amin’ny ranon’Andranotapahana lalam-pirenena faha-efatra. Raha araka ny fanadihadiana natao dia efa amam-bolana ity lalana ity no nihitsoka ary raha misy asa mandeha aza dia toy ny tsongatsongaina. Misy ampahany lehibe na kibony tsy mety vita ohatra ilay efa hivoaka an’Andranotapahana iny noho ny antony tsy fantatra. Lasa hataon’ny tantsaha fanahazam-bary fotsiny araka izany ny foto-drafitrasa rehefa miaka-bary raha tsy lazaina intsony ireo fiara miantsonantsona eny an-toerana mandritra ny andro vitsy mody makamaka sisiny. Manodidina ny 4 Km eo ho eo moa raha hatontaly io ampahan-dalana mbola tsy vita io. Misy ihany koa ny 600 m hivoaka an’Andranotapahana sy ny 400 m hivoaka an’Ivato. Vaovao farany voaray mikasika ity lalana ity ny filazan’ny Ministera tompon’andraikitra fa ho avy tsy ho ela ny orinasa hamarana izany. Raha tsiahivina anefa dia tena manala fahasahiranana ny mpampiasa lalana amin’ny fitohanana miazo ny lalam-pirenena faha-efatra sy faha-enina ary ny miazo ny seranam-piaramanidina Ivato izy raha vita tanteraka.
Pati
Legende : Hampiasain’ny tantsaha tahaka izao ny lalana rehefa mbola tsy vita ihany na dia voararan’ny lalana aza izany !

 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap