airtel

Fifamoivoizana

20-sept-2023

LALAM-PIRENENA VOALOHANY

Hisy vavaka hatao hanafoanana ny lozam-pifamoivoizana

Sample post image

Ain’olona manodidina ny dimy raha kely no hafoy eny amin’ny lalam-pirenena voalohany isam-bolana ankoatra ireo

20-sept-2023

maratra sy mitondra takaitra. Ireo no vokatry ny lozam-pifamoivoizana mitranga eny an-toerana matetika izay saika ho isan’andro mihitsy. Misy hatrany ireo lasibatra koa raha tsy mifofoha volo dia tapitra aina. Izany indrindra no anton’ilay fotoam-bavaka lehibe ho fangatahim-pitahiana amin’Andriamanitra hotanterahina eny an-toerana ny 05 Oktobra ho avy izao. Hifanampy sy hifanome tanana mba handroaka ireo fanahy ratsy miteraka loza eny amin’ny lalam-pirenena voalohany ireo fiangonana maro isan-tsokajiny ao anatin’ny kaominina Ampitatafika sy Fenoarivo distrikan’Atsimondrano izay samy mahatsapa fa tena ilaina tokoa izany. Amin’ny ankapobeny mantsy dia misy hatrany ny ra latsaka. Farany teo ohatra dia olona 3 mianaka no indray namoy ny ainy teny an-toerana rehefa navadiky ny fiara avy namonjy lanonana avy any Antsirabe. Ankoatra ity fotoam-bavaka ity moa dia fantatra fa hisy ihany koa ny fanentanana ireo mpamily fiara mampiasa iny lalana iny mba samy hitandrina sy handeha mora fa tsy sanatria hanararaotra sy hatsaran’ny lalana ka hanaotao foana. Ny 80%-n’ny lozam-pifamoivoizana moa raha tsiahivina dia avy amin’ny olana ara-teknika ateraky ny fiara avokoa raha avy amin’ny tsy fitandreman’ny mpamily ny 20%.
Pati
Legende : Tsy tapaka loza tahaka izao eny amin’ny lalam-pirenena voalohany, antony tsy maintsy hitondrana am-bavaka azy !
 

Dans la même rubrique

18-oct-2024

Tena mampiteny ny moana ny haratsian-dalana RN 14 A mampitohy ny distrikan’Ifanadiana sy Ikongo

Card image cap
18-oct-2024

Tsy mitsahatra ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra miazo an’Ivato.

Card image cap