mihazo an' Anosizato mandalo ny toby fiantsonana'ny fasan'ny Karana iny. Ilay vao miditra eo Ankadimbahoaka no nanombohana ny asa ka ny orinasa colas no miandraikitra azy. Somary nanakorontana ny fifamoivoizana ny fisian'io asa fanamboarana io noho ny tsy fisian'ny fampandrenesana mialoha ireo mpampiasa ny lalana fitohana lavareny no hita teny amin'ny manodidina. Misy amin'ireo fiara fitanteram-bahoaka nampiasa iny lalana iny aza no voatery nandeha tamin'ny lalan-kafa. Faly sahirana araka izany ireo mpampiasa iny lalana iny satria tsy nisy tsy nimenomenona sy nitaraina tamin'ny faharatsiany indrindra rehefa fotoan'ny orana tahaka izao. Manomboka anefa izao ny fanamboarana dia tena henjana ny fitohanan’ny fifamoivoizana, ka ny mandamina fotoana no mety indrindra.
Solotiana
Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona