ny kaominina ambanivohitr’Ambaliha, distrikan’Analalava, faritra Sofia ary ahitana fokontany miisa 11, hoy ny solontenan’ny zanaka am-pielezana ao an-toerana izay nampita ny vaovao, ny Pasitera Andriamilizafy Eli-Seth. Manana otrikarena samihafa amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana ary jono noho ny vavaranon’i Maevarano izany kaominina izany, hoy izy. Be ala koa izy ka mamokatra kafé, dipoavatra, lavanilina sy ny maro hafa. Potika nefa ireo satria tsy mandry fahalemana ny tany. Avy any no ipoiran’ny fipitika na fintsa mampalaza an’i Befotaka avaratra. Efa tamin’ny taona 2009 no voafidy ho ben’ny tanàna ny ben’ny tanàna niverina nirotsaka ho fidiana nitondra ny lokon’ny fitondràna na IRMAR farany teo, Moustapha. Efa mananika ny 16 taona izay no nitondràny. Taty aoriana dia nampiasainy ho azy ny solon’anarana hoe «Maire vato» satria, hono, izy tsy azo atao na inona na inona, tsy azo hozongozonina fa jerem-potsiny ny ataony. Efa an-taonany maro izy no tsy miditra birao fa ny lefiny no mampandeha raharaha. Tsy mba mamory mpanolontsaina izy ka tsy misy tetibola hampandehanana ny asa fampandrosoana ao an-tanàna. Tsy mba manao kaontim-pitantanana na «compte administratif» fa mandeha ho azy toy ny rano mivalana ny fitantanana ny kaominina nandritry ny taona maro. Vokany dia potika avokoa ny asa fampandrosoana efa vita tany aloha. Tsy misy fotodrafitrasa vaovao mba vita ary ny efa vita teo aloha aza tsy misy fikarakaràna. Rava ny trano sekoly maro. Ny CSB II tsy mba voakarakara. Na ny biraon’ny kaominina aza tsy misy varavarana. Ny lalana mampifandray ny fokontany dia rava tanteraka. Ohatra amin’izany ny avy ao Ambaliha mankany Maevahinja izay famoaham-bokatra dia tsy misy intsony. Na dia sarety sy moto ary bisikileta aza tsy afaka kanefa efa nisokatra tamin’ny repoblika voalohany izany, ary indrindra, mampifandray ny kaominin’Ambaliha sy Befotaka Avaratra, hoy hatrany ny tenany nanao antsoavo ny tomponandraikitra mba hijery akaiky ny toe-draharaha.
J. Mirija
Mpamily fiara karetsaka iray no voatery nosokirana tao anatin’ilay fiara nentiny izay nihemoran’ny kaomiao