airtel

Fifamoivoizana

01-oct-2024

Lalana eto Antananarivo

Azo amboarina ihany rehefa akaiky propagandy…

Sample post image

Taorian’ny seraseran’ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra tarihin’ny Filohan’ny Delegasionina

01-oct-2024

manokana PDS Rtoa Harilala Ramanantsoa ny hanamboarana ireo làlana eto Antananarivo, dia dia nanamafy izany ity farany omaly. Isan'ny voakasik'izany moa ireo làlana mampikaikaika ny mponina eto an-drenivohitra, raha ny serasera natao. Raikitra ny dihy mirindra niarahana tamin'ny avy eo anivon'ny Vondrona Polisy monisipaly sy ny Vondrona Mpamonjy voina namaranana ny fanangana-tsaina omaly, taorian’ny kabarin’ny PDS. Nilaza ny Minisiteran’ny asa vaventy, fa hanomboka amin'ity herinandro ity ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra. Ny "route circulaire" eny Ampandrana no nambara fa hanombohana ny asa, ka efa nisy ny fitaovana na « engins » tazana teny an-toerana omaly. Nambara fa hararaotina amin'izao main-tany izao ny fanatanterahana ny asa, araka ny nambaran'ny Minisitra tomponandraikitra. Tsikaritra ho mikorapaka mafy sy manao fihetsiketsehana ny eo anivon’ny CUA sy ny Fanjakana Foibe amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Ny PDS izay tsiahivina fa kandidam-panjakana eto Antananarivo, izay tsy maintsy hametra-pialana raha vantany ekena ofisialy ny firotsahan-kofidiany, raha ny lalàna. Zava-dehibe ny finiavana hiasa sy fampisehoana fa tena miasa, saingy zary lasa mampiharihary fa mandeha ny kivonjivonjy tavanandro sy ny fihetsiketsehana satria handeha indray ny fifidianana. Hatramin’izay tsy hita izay tena natao, nanaovana bemarenina ny fitarainam-bahoaka samihafa, mety tsy nisy ny vola tsy ampy nentin-nanana,… fa amin’izao maneho fa tena afaka miasa sy manao zavatra. Nahoana tokoa no tsy natao ireny hatramin’izay ? Navela ho potika Antananarivo ? Lasa tanàn-dehibe voretra sy maloto indrindra aty Afrika sy fahatelo maneran-tany. Tsy ny miasa sy mamaha olana no ratsy fa endrika fanjonoana vahoaka indray anaty fifidianana rehefa nikipiana ireny fahapotehana marolafy ireny tao anatin’ny taom-piasana lava nahafahana niasa sy nanao zavatra. Mbola ho avy indray ihany koa atsy ho atsy ny fihetsiketsehana samihafa na ny fizaran-javatra amin’ny kaominina maro manerana ny Nosy hanjonoana indray ny mpifidy…
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap