airtel

Fifamoivoizana

04-juil-2024

Làlana potika sy vidin-tsolika

Mizotra any amin’ny fiakaran’ny saran-dàlana

Sample post image

Tsy maintsy hiroso amin’ny fampiakarana saran-dalana ihany noho izany ireo mpitatitra etsy

04-juil-2024

amin’ny Fasan’ny Karana izay mitovy fijery sy fikasana amin’ny koperativa Soatrans ihany koa. Amin’ny volana Aogositra any ho any daholo no hanatontosan’izy ireo izany mandritra ny fotoana mahabetsaka ireo mpiala sasatra mivoaka any amin’ny faritra. Ny faharatsian-dàlana mampitombo ny solika fandaniana solika sy ny halafon’ny saram-pikojakojana no nambaran’ny Soatrans Plus, fa antony hampiakarany ny saran-dàlana. Ny eny amin’ny Fasan’ny karana, taksibrosy 15 no nitsoaka an-daharana an-daharana tamin’ireo koperativam-pitaterana mivondrona etsy amin’ny Fasan’ny Karana tamin’ny taona 2023. Noho ny haratsian-dalana no nambaran’ny tompon’andraikitra fa antony nahatonga izany. Rehefa ratsy mantsy ny lalana hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia mitombo ny fahavoazan’ny fiara iray raha mbola mitombo toraka izany koa ny solika lany. Hatreto anefa dia mbola tsy nisy mihitsy ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny fanamboarana ireo lalam-pirenena na dia efa marobe tahaka izany aza ireo mpitatitra mitsoaka an-daharana. Anisan’ireny ny lalam-pirenena faharoa, fahaefatra, faha-enina, fahafito, faha-34….
Pati
Legende : Tsy maintsy hampiakatra saran-dalana ihany koa ny tobim-piantsonana ety amin’ny Fasan’ny Karana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap