airtel

Fifamoivoizana

19-août-2024

LALANA RATSY SY TSY AMPY

Malagasy efa ho 17 tapitrisa no mitoka-monina

Sample post image

Tahaka ny lalan-dra amin’ny vatan’olombelona ny lalana ao amina firenena iray. Io no miantoka ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana.

19-août-2024

Olana goavana anefa hatramin’izao taona 2024 izao ny lalana eto Madagasikara, tena mananosarotra ny fifamoivoizana sy fifandraisana, ary mitarika fiakaran’ny saran-dalana sy ny vidin’entana. Raha mikatsaka marina ny hampandrosoana ny firenena dia tsy manao asa fanamboaran-dalana faran’izay goavana.
MITOKA-MONINA
Tsy voarakotra tara, izany hoe tsy manarapenitra ny 90% n’ny lalana misy eto Madagasikara, tena ratsy ny 70% n’ireo tsy voarakotra tara ireo. Ny fanadihadiana nataon’ny banky iraisam-pirenena no nahafantarana fa ny 11% n’ny Malagasy monja no monina 2 km manakaiky lalana azo ampiasaina tsara mandava-taona. Io no taha ambany indrindra maneran-tany, ny dikan’izany dia hoe rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra, latsaka ny orana, mandrevo ny fotaka, miakatra ny rano dia mihitsoka ao tsy tafavoaka ny Malagasy an-tapitrisany. Malagasy miisa 17 tapitrisa miaina any ambanivohitra, raha araka ny fanadihadiian’ny banky iraisam-pirenena ihany no tsy afaka mifandray na amin’iza na amin’iza fa dia mitoka-monina, noho ny lalana ratsy na lalana tsy misy mihitsy. Azon’ny sary an-tsaina avy amin’ny alalan’izany tarehimarika izany fa tena faran’izay mandrianga ny hoe asa fampandrosoana, asa famokarana, fifanakalozana ara-barotra. Izany hoe olona 17 tapitrisa tokony hianatra, hiasa no mihitsoka fotoana amaharitra ao anatin’ny taona iray , ary rehefa tsy misy ny vahaolana dia mbola mitohy hatrany io. Vizana amin’ny dia an-tongotra ny olombelona tokony hianatra sy hamokatra dia io iaraha-mahita io ny vokany eto amin’ny firenena fa mitombo isa ny malagasy miha mahantra.
MORA SIMBA
Fa miteraka ady hevitra matetika ihany koa ny hoe fa nahoana no mora simba ny lalana eto Madagasikara, raha oharina ny anya mina firenen-kafa izay firenena miaina anaty orana amina volana maromaro ihany koa isan-taona anefa. Misy ireo lalam-pirenena, vita 1 na 2 taona dia efa manomboka mipoitra ny lavaka, tsy misy ny fikojakojana sy ny asa maika dia miitatra io, ka lasa dobo filomanosana rehefa ela ny ela, dia simba tanteraka avy eo. Io iaraha-mahita io ny mitranga amin’ny lalam-pirenena faha 2 mampitohy an’Antananarivo amin’i Toamasina izay anisan’ny lalana faran’izay tsara teto Madagasikara anefa hatramin’ny repobika faharoa. Raha lalana natao 6 na ora tany amin’ny 10 taona lasa dia efa manakiaky ny 20 ora ny hanaovana azy izao satria misy loza foana noho ny faharatsian’ny lalana dia mihitsoka eo daholo aloha miandry ny rariny.
KOLIKOLY
Manodidina 2,15 miliara ka hatramin’ny 4, 3 ariary ny manamboatra ny lalana mirefy 1 km raha tena hanaja ny fenitra iraisam-pirenena. Tena hoe lafo fa izany no antsoina hoe manara-penitra anefa. Tsy rehefa hoe vita « goudron » ny arabe dia mety izay fa misy refy sy fepetra maro io, misy fitsirihana teknika, miisy fanadihadiana atao izay vao ambara hoe mety sy vita ny lalana. Ny olana eto Madagasikara dia be loatra ny kolikoly amin’ny tseana-barom-panjakana, ka orinasa mety tsy tena manana ny fahaizana sy traikefa amin’ny fanamboaran-dalana akory fa orinasa noforomporonina maika no mahazo ny tsena dia tsy mahagaga raha tsy araka ny tokony ho izy ny kalitaon’ny lalana vitany. Mazava ho azy fa rehefa miditra ny kolikoly sy ny mametraha kely isan’ambaratongany dia mihena be ny tetibola tena ampiasaina marina amin’ny fanamboarana ilay lalana, ka raha arabe tokony manana hatevenana 10 santimetatra ohatra dia asa 5 santimetatra dia mazava ho azy fa mora simba io rehefa avy orana sy mivezivezy eo ny fiara an’arivony isan’andro. Mbola resaka hafa ny hoe voahaja ve ny lanjan’ny fiara mandeha amin’ilay lalana ?

Nanokana 740 tapitrisa dolara na 3182 miliara ariary ho an’ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara ny banky iraisam-pirenena ny taona 2022. Mitentina 343 miliara ariary kosa ny vola avy amin’ny banky eoropeana misahana ny fampiasam-bola na BEI ho an’ny fanamboarana ny RN6 sy RN13.
RTT
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap