raha ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Lalam-pirenena faha 5 na RN5 eto no resaka. Notsidihin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, sy ny praiminisitra, Ntsay Christian, moa ny fivoaran'ny asa fanamboarana ity lalana ity tamin’io faran’ny herinandro io. Ampahan-dalana izay tafiditra amin'ilay tetikasa «route du soleil» miainga avy any Taolagnaro, anatin'ny lalam-pirenena faha 5 na RN5 hatrany. Tombanana ho amin'ny volana Jona 2025 any no hahavitana azy, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona