airtel

Fifamoivoizana

06-août-2024

Loza mahatsiravina tetsy Ambatoroka

Mpivady nandeha moto, maty voahitsaky ny kamio ilay rangahy

Sample post image

Nandriaka indray ny rà tetsy Ambatoroka manoloana ny Fiangonana FJKM ny andron’ny omaly.

06-août-2024

Mpivady nandeha moto nikasa hody eny Ambohimanambola no tra-doza teny an-toerana, ka maty tsy tra-drano ilay raim-pianankaviana, raha toa ka avotra kosa ilay ramatoa. Voahitsak’ilay kamio io raim-pianankaviana io, izay ny lohany mihitsy no notetezin’ny fiara, hany ka tsy nisy ala nenina azo natao satria nipotsaka ny lohany. Somary ratsiratsy marokoroko hafahafa rahateo ny làlana mifanandrify amin’ny FJKM Ambatoroka eo izay notapitapenana vonjimaika, ka heverina ho izay no isan’ny niteraka ny loza. Tsilavina Rakotomanana, mpiangaly ny taranja basikety ary niantsehatra tamin’ny tontolon’ny soratra sy zava-kanto ity namoy ny ainy ity, raha ny fanamarihana. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
MILA MAILO HATRANY, INDRINDRA FA AMIN’NY KAMIO
Ankoatra io, nisy fifandonana mahery vaika ihany koa omaly tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany teny amin’ny Vatosoa Ankadindramamy. Moto no nifandona tamin’ny fiara teto, tsy nisy namoy ny ainy, fa goavana ny fahapotehana,… Ilaina hatrany ny mailo sy mitandrina satria manao ranolava ny loza hamoizana ain’olona. Isan’ny mateti-pitranga ny olona na mpitondra moto voahosin’ny kamio. Tena ilàna fahamailoana ny fisongonana azy ireny na ho an’ny fiara mandinika na ho an’ny moto na ho an’ny mpandeha an-tongotra mandeha tsotra satria ampahatsiahivina foana fa misy ilay antsoina hoe : « angle morte » na faritra mety tsy ho hitan’ny mpamily kamio na misy aza ireo « rétroviseurs ». Mila mitandrina hatrany ihany koa ireo mpitondra ireny fiarabe ireny fa tsy hanao an’ilay hoe : rehefa tafiditra ny lohany dia ny sisa manaraka eo ihany, kanefa mety hisy ny olona na mpampiasa làlana hafa ho voakasika.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap