rehefa bokan-trosa vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, novaina anarana ho Madagascar Airlines, saingy ny olana mitoetra. Mpandeha 40 amin’ny 80 tokony hiazo an’i Nosy Be omaly no voatery najanona, raha ny fitarainana. Saika ireo teratany vahiny avokoa no nalefa fa ny teratany Malagasy najanona, raha ny fitarainana. Samihafa ny vola aloa sa ny vahiny ananana henamaso kokoa fa ny Malagasy hambaniana hatrany ? Misy efa iray volana no efa nahazo tapakila. Nampahafantarina afak’omaly fa nahemotra tokony ho omaly tamin’ny 2roa folakandro ny sidina tokony tamin'ny 12 ora. Rehefa tonga teny anefa, tsy tafiditra indray dia asaina miverina anio. Olan’ny fiaramanidina no isan’ny miteraka ny fikorontanana eo anivon’ity kaompania Malagasy ity. Mbola andrasana ny fahatongavan'ireo fiaramanidina ATR-72 roa an'ny kaompania Madagascar Airlines. Ny famatsiana ireo piesy entina hananganana ireo fiaramanidina ireo no mbola tsy misy, izay voalaza fa anton'ny fahatarana. Misy amin'ireo fiaramanidina no simba toa an'ny Dash 8/Q400 izay nindramina tamin'ny Cemair, eo ihany koa ny fahataran'ny fahatongavan'ny ATR 72 anankiroa. Ankoatran'izay mbola misy fiaramanidina miisa 2 (JB sy JF) tsy miasa amin'izao raha voalaza fa hiverina hiasa amin'ny alarobia izao ny iray (JB), ka anton' izay fikorontanan'ny sidina ataon'izy ireo izao. Dia tsy nisy vahaolana fiandry sy fisorohana azo natao ve eo anatrehan’ireo olana samihafa fa mampijaly mpanjifa ? Miharihary hatrany fa miha mitotongana ny kaompania Malagasy, hany ka na efa niantso vahiny hitantana azy aza, dia izao no zava-misy. Ny sidina anatiny izay hany mbola mandeha io iaraha-mahita io ny olany, ny sidina iraisam-pirenena lavitr’ezaka tsy misy satria tsy manana fiaramanidina sady tsy mahavita manofa. Ny Air Madagascar izay kaompania tokony ho miteraka firindrana eo amin’ny saran’ny fitaterana an’habakabaka eto amin’ny resaka sarany maty tanteraka, hany ka manao izay tiany ireo kaompania vahiny. Mbola any amin’ny 2026 vao mety hanao sidina iraisam-pirenena, ary tsy fiaramanidina antsika madiodio fa mety mbola hofaina. Taratry ny fahapotehan’ny Firenena ny zava-manjo ireo orinasam-panjakana ka anisany ny Kaompania an’habakabaka nasionaly sy ny Jirama, izay niantsoana vahiny hitantana, saingy vao mainka milentika hatrany. Tahaka izany ve no nahafantarana ny Air Madagascar sy ny Jirama tany alohan’ny 2009 sa mba nilamina sy tena nanana ny toerany ? Izao ve no Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
Sary fanehoana
Mirongatra sy mahazo vahana indray ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny kodiaran-droa tato ho ato.