airtel

Fifamoivoizana

22-janv-2025

MATAHOTRA « VISITE TECHNIQUE »

Tsy nisy nety nitatitra ny taksibe 180 omaly maraina

Sample post image

Mafy ny nanjo ireo mpandeha avy eny Antsobolo niazo ny renivohitra omaly Talata 21 Janoary maraina.

22-janv-2025

tsy nisy nety nihetsika teny amin’ny tobim-piantsonana teny amin’ny bibilava mantsy ireo taksibe sasany fa matahotra « visite technique » hono ! Efa zatra ny lalan-dririnina amin’ny fanaovana kolikoly mantsy. Raha araka ny loharanom-baovao dia tonga nijery sy nanara-maso azy ireny teny an-toerana ny mpanara-maso izany omaly. Nihitsoka nanomboka tamin’ny 05 ora sy sasany maraina avokoa vokatr’izany ny mpandeha ka tsy vitsy ireo voatery nandeha dia tongotra sy nandeha fiara karetsaka ho an’ireo nanana fahafahana ny ho amin’izany. Nambaran’ny mpitandro ny filaminana ary fa aim-bahoaka an-jatony no taterin’izy ireny sy lalaoviny isan’andro. Tsy misy miraharaha ny asa fanamboarana fiara mihitsy anefa ny ankamaroan’ireo mpampiasa taksibe na dia efa mihena aza ny vidin-tsolika. Tokony hanamboarana izany ny elanelam-bidy azo avy amin’izany hoy ny mpitandro ny filaminana arahina fanaovana fitsirihana ho fiarovana ny aim-bahoaka. Tsy tsindry hisatra tsy mihinana sy ny embrayage mahazo tsy mahazo ary ny seza rovidrovitra sy ny ny ressort efa tapaka no tokony atahorana hoy izy ireo fa tsy ny visite teknika. Tsiahivina moa fa anisan’ny antony mitera-doza eto amintsika ny tsy fanaovan’ny takibe « visite technique » ka aina maro no efa nafoy tamin’izany.

Na izany aza, betsaka ihany koa ireo fiara hita fa tsy tomombana mbola miasa ka inona no mahatonga an’izany raha tena hitandro ny aim-bahoaka sy kalitaon’ny fitaterana tokoa ? Moa tsy ny kolikoly ve no mahatonga an’izany ? Andaniny firifiry ihany koa moa ny endrika fanararaotam-pahefana samihafa izay mety mahazo ireo mpitatitra ka na manara-dalàna aza misy hirika hamelezana an-dry zareo raha ny fitarainana maro ?
Pati
Legende : Nitokona tahaka izao ireo taxibe sasany !

 

Dans la même rubrique

22-janv-2025

Hasiam-panamboarana avokoa ireo teboka ratsy rehetra, manomboka eo amin'ny restaurant "Ny Maraina",

Card image cap