airtel

Fifamoivoizana

05-mars-2025

Minisitry ny tontolo iainana

«Zava-dehibe ny Autoroute, ny voka-dratsy no ahena »

Sample post image

Tsy misy loza manoloana ireo olona tsy maintsy hafindra toerana ary tsy

05-mars-2025

dia misy vahoaka betsaka, hoy ny Minisitry ny tontolo iainana Atoa Max Andonirina Fontaine omaly, manoloana ny tetikasa Autoroute mampifandray ny Renivohitra amin’ny Faritra Atsinanan’ny Nosy, izay mametraka ahiahy maro amin’ny mety ho fahapotehana ara-tontolo iainana. Fanehoan-kevitra nataony nandritra ny Fihaonambe nokarakarain’ny Fondation pour l’innovation de la Démocratie. « Tetikasa ara-potodrafitrasa goavana, tetikasa tena ilaina, tena ilaina amin’ny fampivoarana ara-toekarena, manala ny fitokana-monin’ny faritra sasany, mampidina ny vidim-piainana amin’ny tanàn-dehibe amin’ireo entana tsy maintsy hafarantsika », hoy io Minisitra io. Nambarany fa misy tokoa ny « enjeu » toe-javatra mahakasika ny ara-tontolo iainana, kanefa ny fampiasam-bola dia mifanaraka amin’ny fitandroana ireo harena voajanahary, tontolo iainana, ny fampandrosoana ara-tsosialy. Raha hiverenena, nisy ny fanairana sy antso avo goavana nataon’ny Firaisamonim-pirenena hatrany amin’ny 50 isa ny jolay 2024, fa tanimbary 195ha, ala 559ha, riandrano miisa 69, no tototra sy horavana amin’io « tracé » an’ny « Autoroute io. 1490 ha ny tandavan’ala na « Corridor » ao amin’ny faritr’alan’Ankeniheny Zahamena sy ny « Aire protégée» na faritra arovana miainga ao Anjozorobe Angavo, ahitana ny ala mikitroka, miampy ny biby ao anatiny izay tsy fahita, toy ny Varika, sy indri indri, ahiana ho voakitika. Ahitana ny 10% amin’ny ala voajanahary eto Madagasikara, hoy ny fanamarihana tamin’izany. Nilaza kosa ny Minisitry ny tontolo iainana omaly, fa noraisina avokoa ny fepetra rehetra ilaina hitandroana ny fiantraikan’ny tetikasa satria tena zava-dehibe amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hoy io Mpikamban’ny governemanta io. Tao anatin’ny ampahan’ny famebelarana nataony sy namaliany ireo manam-pahaizana no nilazany, fa Madagasikara dia isan’ireo Firenena tsy mba manana «autoroute » eto ambonin’ny tany, ka raha hampifandray ny seranantsambon’i Toamasina sy Antananarivo izay renivohitry ny Firenena dia tena misy tokoa ny toe-javatra mahakasika ny ara-tontolo iainana, saingy tsy maintsy nojerena, efa nisy fanovana in-droa ny làlan-jotra, mba hanomezana antoka mba hampihenana faran’izay kely ny fiantraikany ara-tontolo iainana, tsy ampandalovina faritra arovana, tsy ampandalovina toerana sy vakoka ara-kolontsaina,… Ny tetikasa tahaka izao dia tsy afaka hotenenina fa tsy misy fiantraikany fa tena hatao izay hihenany, fa ny tanjona dia ny tena hanakely an’izany, ka misy ny drafitra stratejika mikasika ny fifehezana ny fiantraikany ara-tontolo iainana,… Firenena manana harena isika saingy adihevitra ny hitrandrahana azy, tsy maintsy hampiasaina fa tsy maintsy fehezina ihany koa ny fifanekena iraisam-pirenena, toy ny tsindry amin’ny planeta, hoy io Minisitra io tamin’ny teny vahiny, tao anatin’ny famelabelarana sy famaliana fanontaniana nanoloana ireo mpanatrika. Andrasana izany ny tohin’ny Autoroute…
Toky R

 

Dans la même rubrique