airtel

Fifamoivoizana

14-mars-2025

MOTO MIAKATRA AMIN'NY TROTTOIRS

200 ireo tratra teny Ambohijatovo nandritra ny 4 andro

Sample post image

Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily

14-mars-2025

kodiaran-droa sy bisikileta rehefa amin’ny fotoanan’ny fitohanana. Voakasik’izany manokana ny eny Anosizato sy Anosibe hany ka tsy misy lalan-kaleha intsony ny vahoaka. Nosaziana avokoa ireo tratra omaly nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana teny an-toerana omaly. Toraka izany koa ireo taxi-bisikileta miisa telo izay nampidirina am-balampamonjana noho ny fandikana ny lalan’ny fifamoivoizana teny amin’iny faritra iny. Nisy ihany koa ny fiara fitateram-bahoaka narahi-maso. Efa nisy moa ny fanentanana nataon’ny Polisim-pirenena talohan’ny nampiharany izao fanasaziana izao. Ho an’ny tetsy Ambohijatovo manokana moa dia moto miisa 200 no tratra tao anatin’ny 4 andro nanaovana ny hetsika izay tena marobe tokoa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny hataon’ireo mpitondra moto teny Ambohijatovo teny !
 

Dans la même rubrique

13-mars-2025

Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona

Card image cap