airtel

Fifamoivoizana

20-juin-2024

MPAMILY FIARAKODIA TRATRA HARIVA

Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny Laser lalaovin’ny ankizy

Sample post image

Efa mafotaka ny filalaovana laser maitso amin’izao eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

20-juin-2024

Hifampitifiran’ny ankizy toy ny basy kilalao mihitsy izany raha vantany vao maizina ny andro ka lasibatra hatramin’ireo olona any an-trano, indrindra raha varavaram-pitaratra tsy misy varavarankazo no hiainana. Tsy vitsy ireo velon-taraina noho izany. Ho an’ireo mpamily fiarakodia tratra hariva dia maro amin’izy ireny no mipenimpenina rehefa sendra ireo ankizy mitifitra tsy amim-piheverana amin’ireny laser ireny. Eny Anosizato sy ny manodidina eny no tena ahitana izany raha toraka izany koa ny eny Analakely. Tsiahivina moa fa loza mitatao ho an’ny mpamily fiarakodia ny fitarafana ny mason’izy ireny amin’ny laser. Mety hiteraka lozam-pifamoivoizana mahatsiravina mantsy izany raha sanatria ka jambenan’izany masony. Toraka izany koa ireo ankizy milalao azy. Mety ho doran’ilay laser mihitsy ny ati-mason’ilay ankizy, tranga izay miteraka fahajambana avy hatrany.
Pati
Legende : Tsy mifidy tifirina ireo ankizy rehefa milalao laser maitso tahaka itony !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap