airtel

Fifamoivoizana

07-oct-2024

Namono olona indray ny làlana Tsarasaotra-Ivato

Nilaza ho nahita zavatra ohatran’ny tadio ny mpamily…

Sample post image

Namono olona indray ny làlam-baovao miazo an’Ivato omaly maraina. Fiara tsy mataho-dàlana na 4x4

07-oct-2024

iray iray no tra-doza teny an-toerana omaly alahady 06 oktobra 2024 maraina. Voalaza fa nandeha mafy loatra io fiara io, saingy tsy voafehy ny familiana. Nisy moa ny fanazavana nilaza fa tsy nisy fiara hafa nanelingelina io fiara Prado miloko «biege » io. 7 mianaka no tao anatiny. Nilaza ho nahita zavatra otran'ny tadio ilay vehivavy mpamily ary nanodina familiana, ka nivadibadika sy nanidina ambony nakany an-tanimbary ilay fiara. 1 tafavoaka ny fiara teny am-panidinana ary voatsindrin'ilay fiara indray avy eo, ka maty tsy tsa-drano, ary potipotika io fiara tsy mataho-dalana io. Ireo 6 kosa naratra. Samy mety hanana ny filazany moa ny rehetra eo anatrehan’izany hoe : misy lolo na matoatoa tokoa ve iny làlana iny ? Taorian’iny tranga omaly iny, dia nisy karazana fijoroana vavolombelona nandeha, fa tojo tranga tahaka io hoe : nisy tadio nanapaka tampoka ny arabe, ary nanentana fa tsy tokony handeha mihoatra ny 70km amin’iny làlana iny, saingy safidin’ny tsirairay ny hino na tsia. Betsaka ny làlana na toerana ahenoana zavatra tahaka izany, izay tsy sanatria mamporisika ny olona hinohino foana, saingy ilaina ny fitandremana. Efa nijery ifotony ny zava-misy moa ny mpitandro ny filamianana.
FOSITRA NY FANDEHANANA MAFY LOATRA
Tsy vao sambany tamin’ireo loza nitranga teny amin’iny lalam-baovao Tsarasaotra-Ivato iny moa ity niseho ity, fa efa maro ireo tranga na loza nahazo ny fiara io, na moto, na fitaovam-pitaterana hafa, ary matetika hamoizana ain’olona. Vao ny 24 septambra lasa teo ohatra, dia olona iray nandeha bisikileta no maty tsy tra-drano rehefa nifandona tamin’ny fiara. 60km isan’ora ny fetran’ny hafainganam-pandeha ambony indrindra amin’iny làlam-baovao iny, saingy tsy voahaja, antony voalohany ihany koa heverina fa miteraka ny loza mahatsiravina. Entanina sy hampahatsiahivina hatrany noho izany ny rehetra satria ny loza tsy mampiomana, ary tsy amin’iny ihany fa eny amin’ny làlana rehetra na aiza na aiza. Ilaina hatrany ihany koa ny fahaizana sy fifehezana ary fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap