airtel

Fifamoivoizana

05-juil-2024

NITOKONA NY ZOTRA 015

Mitaraina ho takian’ny koperativa volabe loatra

Sample post image

Nitokona ireo taxi-be 015 mampitohy an’ny 67 ha sy Mandroseza omaly Alakamisy 04 Jolay atoandro.

05-juil-2024

Teny Mandroseza no nanatanterahany izany nandritra ny ora 3 na 4 teo ho eo. Nambaran’izy ireo fa diso be loatra ny sazy mihatra amin’izy ireo sy ny vola takian’ny koperativa. Ankoatra ny vola raisin’izy ireo amin’ny maha-mpikambana hoy ny mpamily iray dia tena mihoampampana ireo karazana kipitsony tsy maintsy hamoaham-bola isan’andro ka izay tsy mahavita izany dia hiharan’ny antsonjay. Hangatahin’izy ireo araka izany ny tokony hanoloana ny mpitantana ny koperativa. Tsiahivina moa fa niteraka fimenomenomana ho an’ny mpanjifa ity fitokonan’ny 015 omaly ity. Saika filaharambe avokoa no hita teny Mandroseza sy 67 ha izay naharitra ora maromaro mihitsy. Manodidina ny 40 eo ho eo moa ny isan’ireo taxibe mivondrona ao amin’ny koperativa misy ny 015 ankehitriny.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokonana nataon’izy ireo omaly !

 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap