airtel

Fifamoivoizana

10-oct-2024

Ny teleferika tsy mandeha, ny trosa efa aloa

Ahiana hitsefotra ny zotra maitso, miha kofona ny fitondrana

Sample post image

Miha kofona hatrany ny Fanjakana Rajoelina amin’ilay tetikasa teleferika.

10-oct-2024

Notaterin’ny fampahalalam-baovao vahiny Africa Intelligence indray, fa manana olana amin’ny fanatanterahana ny zotra maitso mampitohy an’Ankatso sy Anosy. Tetikasa izay nitrosana 152 tapitrisa euros eo ho an’ireo zotra roa dia ny volomboasary miainga eo Anosy hatrany Ambatobe izay tsy mbola vita sy ity zotra maitso tsy mbola manomboka ity. Miompana amin’ny olana ara-teknika sy ara-bola io satria, voalaza fa tsy tena mbola marin-toerana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana na "étude environnementale" sy ny "permis environnemental" ho an'ity zotra ity izay tsy maintsy handalo eo amin'ny vohitr'Andohalo ary tsy maintsy hanaovana "pylône" ihany koa eo amin'ny Cathédrale Andohalo. Ny tompon'andraikitry ny asa (Colas sy Poma) dia nandroso soso-kevitra ny hanovana ny lalan'ilay téléphérique saingy tsy mbola manaiky izany kosa ny Filoha Andry Rajoelina, hoy io fampahalalam-baovao vahiny io. Ara-bola, amin'ilay 152 tapitrisa Euros notrosaina dia manodidina ny 90 hatramin’ny 95 tapitrisa eo no voalaza fa efa lany tamin'ilay zotra volomboasary. Mbola tsy tena fantatra anefa izay teti-bola ilaina amin'ilay zotra faharoa satria miankina betsaka amin'ilay lalany izay mbola iadin-kevitra amin'izao io. Tao anatin'ny 3 volana anefa izay dia efa nanomboka namerina ny vola nindramina hanamboarana ny teleferika ny fitondràna malagasy na dia mbola tsy miasa ary ity fomba fitaterana vaovao ity, fa « bidons jaune » sy ireo solontenam-panjakana notarihin’ny filoham-pirenena no nanao andrana ny volana jona 2024 teo. Tsy mbola tapaka ihany koa izay orinasa tena hampiodina sy ampiasa ireto zotra ireto, ary ny Filoham-pirenena dia tsy mety manome vola ho fanampiana hahafaha-mampiodina na « subvention » ho an’ny teleferika raha ny efa notaterin’io fampahalalam-baovao io. Ny tetikasa tsy mandeha, ny trosa efa mandeha ny fandoavana. Na ny herinaratra hampiodinana an’io aza mbola baraingo hoe : aza ho aiza ilay toby mpihary herinaratra manokana lazaina fa mandeha amin’ny hetin’ny masoandro. Ny kajin’ny Fanjakana Rajoelina dia hisy mpandeha 40000 isan’andro io ka tena mitombina ve ? 3000Ar isaky ny mitaingina ka 6000Ar mandroso miverina izany, ka raha andeha hatao kaonty ambony hoe : misy olona 20000 isan’andro hitaingina tokoa, dia 120 tapitrisa Ar isan’andro, ka ao anatin’ny 6 666 andro na ao anatin’ny 18,2 taona izany vao voaloa ny 800 miliara Ar eo notrosaina, mbola tsy voaresaka ny karaman’ny orinasa sy mpiasa manodina azy, ny fikojakohana, ny zana-bolan’ny mpampitrosa,… Dia tena hoe : fampandrosoana sy tena mifanaraka amin’ny filam-bahoaka tokoa ve io ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap