airtel

Fifamoivoizana

20-sept-2023

OLONA NAVADIKY NY BOTRY

Tafakatra 5 ireo namoy ny ainy

Sample post image

Tafakatra 5 hatreto ireo olona namoy ny ainy navadiky ny botry tany amin'ny vavaranon'i Betania, hiditra ny distrikan’i Morondava.

20-sept-2023

Vehivavy miisa 4 sy zazakely vao amam-bolana ireo namoy ny ainy ireo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia botry iray niala avy any Maintirano ny Sabotsy teo ity tra-doza ity. Vaky izy rehefa tratry ny onjan-dranomasina mahery vaika ka rendrika tanteraka tokony ho tamin'ny 4ora 30 ka hatramin'ny 5 ora hariva teo raha nikasa hiditra an’i Morondava. Miisa 17 moa ireo olona tao anatiny ka ny 9 mpandeha raha ekipan'ny mpitondra botry kosa ny 8 izay samy tsy nisy naninona. Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaliben’i Morondava araka izany ireo mpandeha 4 ambiny.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

18-oct-2024

Tena mampiteny ny moana ny haratsian-dalana RN 14 A mampitohy ny distrikan’Ifanadiana sy Ikongo

Card image cap
18-oct-2024

Tsy mitsahatra ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra miazo an’Ivato.

Card image cap