airtel

Fifamoivoizana

11-juin-2024

Potika ny lalana eto Antananarivo

Andrasana ny tena fanamboarana tsy vonjy tavan’andro

Sample post image

Efa lasa lavaka be amin’izao fotoana izao ireo lalana eo amin’ny fiolanana mihazo ny Météo –Ampasapito,

11-juin-2024

raha ny hita teny an-toerana hatramin’ny omaly. Saika namboarina fa tavela teo, indrindra, ilay miakatra avy any Avaradoha mihazo ny lalana mankany Tsarahonenana sy Fort Duchesne – Mausolée, hoy ny mpitondra fiarakaretsaka nandalo teny an-toerana. Ohatra iray amin’ireo lalana zara faha vita eto Antananarivo moa no hita teny. Lalana Bombo voanjo, hoy ny filaza azy mahazatra. Na ny mandalo ny Bel’air Ampandrana na ny mihazo an’iny Ambanidia iny, ny eny 67ha izany moa, tsy lazaina intsony. Efa ela no potika ny lalana eto Antananarivo saingy hatramin’izao aloha dia mbola andrasana ny tena fanamboarana marina tsy vonjy tavan’andro.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap