airtel

Fifamoivoizana

15-janv-2025

RANDRIA, MPITONDRA TAXI-BISIKILETA

Mahazo 30.000 Ar isan’andro rehefa salama tsara

Sample post image

Asa fivelomana iray tena mahazo vahana eto amintsika, indrindra taorian’ny nandalovan’ny

15-janv-2025

valan’aretina COVID 19 ny fanaovana taxi-bisikileta. Raim-pianakaviana avy any ambanivohitra avokoa ny 90%-n’ireo manao io asa io ka miankina amin’ny tanjak’izy ireny ny vola azony hamelomany ny ankohonany. Nanaiky ny niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana mikasika ny fiainany isan’andro Randria, mpitondra taxi-bisikileta.
Manao ahoana ny asana mpitondra taxi-bisikileta dia mahavelona ihany ve ?
Mifoha amin’ny 05 ora maraina isan’andro raha tara indrindra miandry sy mitatitra ireo mpiasan’ny orinasa afaka haka eto an-drenivohitra ary aorian’ny amin’ny 07 sy sasany hariva ihany koa vao mody manatitra ireo mpiasa na mpianatra tsy mahita taxibe. Mahavelona ilay asa raha salama tsara ilay mpitondra bisikileta. Tsy mitovy amin’ny fitondrana moto mantsy ny mitondra bisikileta. Tena ny ain-dehibenao no hiankinan’ilay fivoizana bisikileta koa raha vao tsy matanjaka ilay mpitondra bisikileta nefa tojo mpandeha vaventy na lalan-dratsy dia efa manary karama izy izay.
Mety ohatrinona isan’andro ny vola azonareo dia inona no tena olana amin’ity asa ity ?
Mahazo 30.000 Ar isan’andro raha matanjaka sy salama tsara. 1500 Ar mantsy amin’izao ny saran-dalana farany ambany indrindra toy ny miainga etsy Antandrokomby Anosizato miazo an’Anosibe ohatra. Mety hahatratra hatrany amin’ny 10.000 Ar kosa izany raha miainga eny Anosizato miazo an’Ambatomirahavavy. Mbola olana amin’ity asa ity anefa ny tsy maha-ara-dalana anay. Mbola tsy neken’ny Kaominina Antananarivo renivohitra araka ny tokony ho izy mantsy ny fahafahanay miasa sy mitatitra olona. Tsy afaka miaro ara-dalana ny mpandeha ihany koa izahay. Sady tsy misy fiantohana no tsy manana aroloha toy ny moto izahay koa raha sanatria tojo loza dia ahiana hatrany ny ain’ny mpandeha. Eo an-danin’izay mbola mila fiofanana ny ankamaroanay mikasika ny lalan’ny fifamoivoizana.
Efa misy toerana voatokana ho an’ireo mpitondra taxi-bisikileta sasany ve sa hiraisana avokoa ?
Hiraisana avokoa ny toerana fa tsy misy voatokana ka ! Izahay rahateo saika mifankahalala avokoa ny ankamaroany. Raim-pianakaviana leo ny mitana angady tany ambanivohitra mantsy ny ankamaroanay nampian’ireo tsy an’asa ka nanapa-kevitra ny hiasa eto an-drenivohitra indrindra fa ireo manana bisikileta. Efa zary kilalao rahateo ny fitondrana io kodiaran-droa io rehefa any ambanivohitra any.
Amin’ny ora tahaka ny inona no tena mandeha ny asa dia misy fotoana hipetrahana ihany ve ?
Ny maraina manomboka amin’ny 05 ora sy sasany eo no tena mandeha ny asa hatramin’ny 08 ora sy sasany any ho any. Manampy ireo mpiasa sy mpianatra tsy ho tara fidirana mantsy no tena hatao. Toraka izany koa ny manomboka amin’ny 11 ora atoandro sy amin’ny 01 ora ary ny amin’ny 04 ora hariva. Mbola mpiasa sy mpianatra ihany koa no tanterina amin’ireo ora ireo. Ny eny anelanelany indray olona maika hanenjika lera na tsy te-hijanona any anaty taxibe mandritra ny fitohanana. Misy ihany ny fotoana hipetrahana eo anelanelan’izay ka, indrindra fa rehefa misakafo amin’ny 12 ora sy sasany atoandro iny.
Pati
Legende : Mamelona fianakaviana maro ny asana taxi-bisikileta eto amintsika !

 

Dans la même rubrique

14-janv-2025

Alasora, Andoharanofotsy, Sabotsy Namehana sy kaominina maro hafa manodidina an’Antananarivo renivohitra!

Card image cap