airtel

Fifamoivoizana

06-août-2024

RN 2 nampitaraina hatry ny ela

Nambara fa mandeha amin’izay ny fanamboarana…

Sample post image

Manomboka ny fanajariana ny làlam-pirenena faha-2 na ny RN2 mampitohy an’Antananarivo-Toamasina

06-août-2024

raha ny seraseram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny asa vaventy na ny MTP amin’izao fotoana izao. Nambara fa miainga eto an-dRenivohitra hatrany amin’ny PK 48 any amin’ny manodidina an’i Manjakandriana no hanombohana azy. Mba hampihenana ny fanelingelenana, nambara fa ireo làlana tena ratsy na « points noirs » manomboka eo Manjakandriana no hokojakojaina mialohan’ny fandrakofana tara azy. Tafiditra ao anatin’ny fanamboarana ihany koa ny tapany eo Brickaville-Toamasina sy Antsampanana-Moramanga, izay nambara fa ny fanajariana izany dia isan’ny fanamby lehibe ka mila fandraisana andraikitra. Milaza ny MTP amin’ny alalan’ny Sekrtera jeneraliny, fa tena zava-dehibe ny fanamboarana ireo tena ratsy, indrindra ireo lavadavaka maro, mba hiantohana ny filaminana sy ny fahafampon’ny mpampiasa làlana. Nambara fa ilaina ny fandalinana ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy lalina, antony tsy hirotorotoana. Tafiditra tao anatin’izany ny lafiny teknika izay nanaovana fikarohana mifandraika aminy mikasika ny akora ilaina sy ny fandinihana ny antony miteraka ireo fahapotehana maro. Hamatsy vola an’io ny Banky Iraisam-pirenena miampy ny famatsiam-bola madiodion’ny governemanta. Nolazaina fa hampahafantarina mialoha ny fizotran’ny fikojakojana ny mpandeha mba hialana amin’ny fanelingelenana sy fimenomenonana. Tsy hisy kosa ny fanakatonana tanteraka ny làlana raha ny fanazavana. Zava-dehibe aloha ny finiavana sy ny fanapahan-kevitra hanamboatra, taorian’ny fampanantenana maro, efa hatrany amin’ny fotoanan’ny coronavirus. Isan’ny tena mampikolay ny RN2 ka irarian’ny rehetra ny hahavitany noho izy hizoran’ny fitaterana ny 80% amin’ny entana ilaina eto Madagasikara. Enga anie ka tsy ho vonjy tavanandro sy serasera amin’izao ankatoky ny fanovana governemanta na koa ankatoky ny fifidianana ben’ny tanàna izao. Efa betsaka mantsy izay serasera sy fampanantenana poakaty izay, raha tsy hilaza afatsy ny fametrahana vato fototra ho an’ny « Voie rapide » tao Toamasina ny martsa 2019 na koa ny fampideraderana ireo fiatovana na « engins » tany amin’ny RN2 sy tany Anosibe an’Ala,… nilazana fa hamboarina ao anatin’ny fotoana fohy fa mandrak’ity ny androany mbola ny omaly tsy miova.
Toky R


 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap