airtel

Fifamoivoizana

22-oct-2024

RN2 VAO NASIAM-PANAMBOARANA

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ?

Sample post image

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

22-oct-2024

mpampiasa lalana miazo iny faritra Atsinanan’ny Nosy iny. Tsy nandeha tamin’ny laoniny akory mantsy ny asa fanamboarana hoy izy ireo. Nokikisana ny lalana dia nototoina tamin’ny cylindre dia nosarontsaromana fa tsy norarahana tara akory. Ny atao hoe : manamboatra lalana dia jerena izay tena fototry ny olana ary rehefa milamina izany dia rakofana tara mba haharitra. Ankoatra izay hoy hatrany ireo mpampiasa lalana dia misy am-pahan-dalana mihotsaka eo anelanelan’Antsampanana sy Ampasimbe raha misy faritra efa ny an-tsasaky ny lalana sisa no handehanan’ny fiara rehefa mandalo ao aminy fa efa potika tanteraka ny an-tsasany. Vao milatsaka eo ny ranon’orana dia tsy haharitra ny firodorodon’ny kamiao intsony ny lalam-pirenena faharoa. Nomarihin’ireo mpampiasa lalana moa fa ny kamiao hatrany no henjehina ho manimba lalam-pirenena eto amintsika nefa mandoa vola izy ireo, hampidirina ao anatin’ilay Fond d’Entretien Routier izay tsy fantatra mazava intsony izay hanaovan’ny sasany azy nefa tokony hanamboarana sy hikojana ny lalana.
Pati
Legende : Hiverina tahaka izao ny lalam-pirenena faharoa atsy ho atsy raha tsy voajery hoy ireo mpampiasa lalana !

 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap