airtel

Fifamoivoizana

20-mars-2025

SAMBOKELY RENDRIKA TAO BELO SUR TSIRIBIHIANA

Olona 4 mianaka namoy ny ainy, 2 mbola tsy hita

Sample post image

Naka olona indray ny rano tany Belo Sur Tsiribihiana.

20-mars-2025

Sambokely iray na tefotefo no fantatra fa maty motera teo anelanelan'i Bosy sy Andrahangy, kaominina ambanivohitr’i Beroboka avaratra, distrikan’i Belo Sur Tsiribihiana afak’omaly Alarobia 18 Martsa folakandro tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Niezaka nanamboatra ireo tompon’andraikitr’ilay sabo kely nandritra izany saingy niha-niakatra ny rano ka nahavaky ilay fitaovam-pitaterana izay nitarika hatramin'ny faharendrehany mihitsy. Olona 4 mianaka no namoy ny ainy vokatr’izany izay zaza ny roa raha nitontaly 30 kosa ireo mpandeha tao anatiny. Mbola tsy hita kosa ny roa ambiny raha velona soa aman-tsara ireo 24 isa. Niezaka nanavotr'aina nanomboka tamin'ny 11ora alina moa izy 30 mianaka ireo saingy omaly maraina vao nisy sambo afaka namonjy.
Pati
Legende : Nandritra ny fakana ireo razana tao anaty rano !
 

Dans la même rubrique