airtel

Fifamoivoizana

04-juin-2024

SAMPANANA PAON D’OR IVATO

Fiara iray nivadika, olona iray namoy ny ainy

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona omaly Alatsinainy 03 Jona tokony

04-juin-2024

ho tamin’ny 03 ora maraina teo amin’ny sampanan'ny Paon d'or eny Ivato. Karazana fiara 4x4 tsy mataho-dalana io tra-doza io no sady mbola tena ao anatin’ny heriny tanteraka. Nivadika ambony ambany vokatry ny fandehanana mafy ilay fiara hany ka potika tsy nisy noraisina intsony. Raha araka ny filazan'ireo nana-trimaso dia mbola nisy toaka hita tao anatin'ilay fiara nandritra ny fotoana nanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana. Olona iray moa no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izany, izay tombanana ho ilay mpamily ihany hoy hatrany ny vaovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Potika tahaka izao ilay fiara nivadika !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap