airtel

Fifamoivoizana

29-juil-2024

SARAN-DALANA ANTSIRABE-FARATSIHO

Manararao-paty ireo taksibrosy

Sample post image

Tafiditra ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe tanteraka isika ankehitriny.

29-juil-2024

Mifanindry an-dalana amin’izany ny fotoana famadihan-drazana izay tena manamaro isa ireo olona mandeha midina any ambanivohitra toy ny miazo an’Antsirabe sy Faratsiho. Mararaotra fatratra ireo taksibrosy vokatr’izany. Efa tafakatra 20.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray mandroso fotsiny amin’izao raha efa misy mahatratra 22.000 Ar ny an’ny sasany. Toraka izany koa ireo hotely fihinanana sakafo atoandro eny an-dalana. Tsy misy latsaky ny 5.000 Ar intsony ny vary iray lovia raha mbola nahazo teo aloha teo 4.000 Ar. Na dia efa midangana tahaka izany aza anefa ny saran-dalana dia mbola vonjena amin’ny 04 ora maraina ihany ireo taksibrosy. Hifampitadiavana mantsy izany noho ny hamaroan’ny mpandeha. Vao tara ny amin’ny 06 ora maraina dia tsy lasa intsony fa tsy maintsy miandry ny ampitso indray.
Pati
Legende : Vao mangiran-dratsy dia efa feno mpandeha milahatra ety amin’ny Fasan’ny Karana ho any ambanivohitra !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap