airtel

Fifamoivoizana

04-sept-2024

SIDINA IRAISAM-PIRENENA

Tonga ny Emirates, ary mba ahoana ny Madagascar Airlines ?

Sample post image

Ofisialy nanomboka omaly ny sidina Antananarivo - Dubai amin'ny alalan'ny kaomoania Emirates .

04-sept-2024

Nigadona teo amin'ny seranam-piaramanidina Ivato tamin'ny 3 ora sy 25 minitra tolakandro ny sidina voalohany Boeing 777 Emirates, hampifandray an'i Madagasikara amin'ny Dubaï, mandalo ao amin'ny Nosy Seychelles. Teny an- toerana ny Filohampirenena Andry Rajoelina mivady, ny praiministra Ntsay Christian sy ny mpikambana maro eo anivon'ny governemta. Hampitohy in-telo isan-kerinandro an' Antananarivo sy Dubaï, mandalo ao amin'ny Nosy Seychelles izy ity.Araka ny fomba amin'ny fitaterana anabakabaka dia noraisina tamin'ny alalan'ny water salute, na fanondrahana rano ho mariky ny fiarahabana azy tongasoa eto Madagasikara ity sidina voalohan'Emirates ity. MAHAZO AVARA-PATANA Kaompaniam-pitaterana anabakabaka tafiditra ao anatin'ireo 5 voalohany faran'ny matanjaka maneran-tany ny Emirates, manana ny maha izy azy, manana traikefa ambony be, manam-bola, manana ireo fiaramanidina tena raitra sy maoderina indrindra eto ambonin'ny tany. Tena marina fa hitondra rivo-baovao ho an'ny fitaterana anabakabaka eto Madagasikara ny fitsofohan'ny Emirates eto, saingy toa manambara ihany koa fa ho vizana kokoa hatrany ny kaomoania nasionaly Madagascar Airlines, izay tena tsy afaka hifaninana amin'ny Arabo mihitsy aloha raha mbola atao tahaka ny mahazatra ny fomba fitantanana sy ny fomba fiasa. Asa raha mba efa masaka ny nahandro ho an'ity kaom-pitaterana nasionaly ity na dia hionona amin'ny sidina anatiny vitsivitsy fa ny kaomoania vahiny no hanao ampihimamba ny sidina ivelany. Tsapa tamin'ny zava-nitranga omaly teny Ivato ihany koa fa tena mahazo avara-patana amin'ny mpitondra fanjakana malagasy ny Emirates, ary mazava izao fa noho izy no nanaovana hazakazaka arahin-tosika ny fanatsarana ny fomba fiasa teny Ivato sy nanamafisana ilay hoe ady amin'ny kokikoly. Farany dia tsara ho marihina fa any Dubai no tenabiondranan'ny volamena avy eto Madagasikara .
RTT 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap