airtel

Fifamoivoizana

04-juin-2024

Sonierana Ivongo

Tsy nahita toerana natoriana ny mpandeha sambo alina

Sample post image

Mpandeha am-polony no nijaly tsy nahita toerana natoriana alina 03 Jona nifoha androany

04-juin-2024

Talata 04 Jona tao Soanierana Ivongo rehefa nandeha sambo haingam-pandeha avy any Toamasina. Noho ny tsy fisian’ny sambo na fiara hatorian’izy ireo no anton’izany. Nampanantena ireo mpandeha mantsy ny mpikarakara raha ny vaovao azo fa afaka matory ao anaty sambo na fiara izy ireo rehefa tonga tao Soanierana Ivongo. Nitady hevitra nandeha tao amin’ny birao fiasan’izy ireo ireo mpandeha vokatr’izany saingy nilaza ihany koa ireo mpikarakara fa tsy azo hatoriana tao amin’ny birao fa ny entana ihany no azo napetraka tao. Ny tena olana hoy hatrany ity vaovao ity dia marobe tamin’ireo mpandeha no tsy niomana tamin’ny vola nanofana efitrano fandraisam-bahiny nefa ny fandriampahalemana efa tsy milamina.
Pati
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap