airtel

Fifamoivoizana

21-oct-2024

Taksibe 119 nivoaka

ivelan’Antananarivo Tra-doza teny Ambatolampy, 3 namoy ny ainy

Sample post image

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

21-oct-2024

kaominina ambanivohitra sy distrikan’ Ambatolampy PK 57+800 omaly Alahady 20 Oktobra. Taxibe Toyota ao amin’ny koperativa Ainga vao 119 no nivoaka ivelan’ny lalana tampoka raha hiditra tetezana ka nisidina ambony ary nifatratra tany ambany avy hatrany. Avy any Antsirabe hody eto Antananarivo io taksibe io, nitondra fianakaviana avy namonjy raharaham-pianakaviana ary nahazo alalana soa aman-tsara. Raha araka ny fantatra dia vokatry ny tsy fahamailoana teo am-pamiliana no nahatonga ny loza. Olona miisa 3 be izao moa no indray namoy ny ainy vokatr’izany ka zaza vao 6 taona monja ny iray. Vehivavy 31 taona kosa ny iray niampy ny mpamilin’ ilay fiara. Mpandeha miisa moa no naratra ka nahitana zaza madinika vitsivitsy ihany koa.Taorian'ny fitsaboana haingana natao ireo maratra tao amin'ny CHRD Ambatolampy dia nisy olona miisa 5 tsy maintsy nalefa ao amin’ny CHU-HJRA Ampefiloha Antananarivo.
Pati
Legende : Tahaka izao no nihafaran’ilay fiara taxibe 119 !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap