airtel

Fifamoivoizana

14-déc-2023

TAKSIBE 194

Nanary mpianatra teny Analamahitsy andro alina

Sample post image

Mitohy hatrany ny hadalana hataon’ireo taksibe ao amin’ny zotra-pitaterana 194

14-déc-2023

mampitohy an’i Mausolé sy Andranomena. Raha araka ny fitarainana voaray indray mantsy dia mpianatra handeha hamonjy fodiana eny Andranomena niainga avy eny Mausole no narian’izy ireo teny Analamahitsy afak’omaly Talata. Tokony ho tamin’ny 08 ora alina no nitrangan’izany nefa vola efa voafetra ny tany am-pelatanan’ireo mpianatra kely. Efa hiaraha-mahalala tsara anefa ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eto amintsika izay mihafara amin’ny fanolanana sy ny famonoana hatrany amin’ny ankapobeny. Rehefa mba nitaraina ireo mpianatra kely ireo hoy hatrany ny fitarainana azo dia nilaza ilay mpamilin’ity taksibe 194 ity sy ny mpanampy azy fa an’ny Ben’ny tanana hono ilay fiara entiny ka afaka manao izay tiany hatao izy ireo no sady tsy matahotra na iza na iza ihany koa. Tsy fantatra mazava moa ity Ben’ny tanana izay nambaran’izy ireo fa mpiaro azy ity na iza na iza. Ny mampalahelo amin’ny tranga tahaka itony na an’iza na iza ilay fiara dia tokony hanaja hatrany ny bokin’andraikitra ary tsy tokony hanary mpandeha amin’ny andro alina tahaka izany. Antso avo no hatao amin’ny filohan’ity koperativa 194 ity mba hifehy sy hanara-maso ireo olona eo ambany fiadidiany.
Pati
Sary Fanehoana : Tena mampijaly mpandeha ny taxibe 194 sasany !
 

Dans la même rubrique

16-oct-2024

Tanimbary 100 ha no fantatra fa tadiavin’ny Fitondram-panjakana hototofana ao anatin’ny Kaominina

Card image cap