airtel

Fifamoivoizana

08-juil-2024

Taksibe eto Antananarivo

Tsy maintsy hiakatra ny saran-dàlana…

Sample post image

Tsy azo hihodivirana ny fiakaran’ny saran-dàlana eto Antananarivo !

08-juil-2024

Io no nivoitra tamin’ny fihaonan’ireo Koperativa ivondronan’ny mpitaitra eto an-drenivohitra, izay nivory ny herinandro teo, raha ny loharanom-baovao azo. Antony maromaro no voalaza fa antony tsy maintsy hirosoana amin’izany, ka anisany ny : mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika izay efa nambaran’ny Fanjakana fa hirosoana, ny haratsin’ny làlana eto Antananarivo, ny halafon’ny piesy sy ny fikojakojana ny fiara. Mbola adihevitra kosa na izany aza ho an’ny mpitatitra ny hoe : ohatrinona eo ny fiakarana hampiharina ? Rahoviana no hihatra marina ? Mbola ao anatin’ny adihevitra mikasika izany moa ireo mpitatitra amin’izao fotoana izao. Na izany aza, efa nisy ny namoaka teo aloha, fa tsy hihoatra ny 1000Ar ny saran-dàlana eto an-dRenivohitra, tao ny naneho fa eo amin’ny 200Ar ny fiakarana ka ho 800Ar ny saran-dàlana atsy ho atsy. Ny mpitatitra amin’ny zotra nasionaly ihany koa tetsy an-daniny efa nisy nanambara an’io hirosoana amin’ny fiakarana io ny herinandro teo, ka mitovy amin’ireo voalaza etsy ambony ihany no antony. Henjana ny fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena satria tena hiantraika sy hitarika fiakaran’ny vidim-pianana hatrany io raha tanteraka eo. Mba manana vahaolana hanalefahana an’izany ve ny Fanjakana sa hiezaka hanadala saim-bahoaka amin’ny zavatra manidintsidina hatrany ? Ny volana jolay 2022 no nisy fipoahana ny fidin-tsolika teto amintsika, izay manodidina ny 3500Ar ny gazoala no lasa 5000Ar fa ny hany resaka petatoko nataon’ny mpitondra dia hanafatra bus maoderina 1000 hampiasana eto Antananarivo. Ny taksibe 600Ar izay mety hiakatra 800 hatramin’ny 1000Ar aza manahirana ny vahoaka izay tena sahirana amin’ny lafiny maro ka tena ny teleferika 3000Ar tokoa ve no vahaolana ho an’ny renivohitra ? Andaniny ho an’ny taksibe, isan’ny mbola maha be fitarainana ny kalitaon’ny fitaterana ka moa mba hisy ve ny fivoarana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-oct-2024

Afaka roa volana indray dia mety ho tapaka ny lalam-pirenena faharoa, raha araka ny fitarainan’ireo

Card image cap
21-oct-2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Antsahafiraisana, Fokontany Andriambilany ,

Card image cap